airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Raibe namoa-doza Bevohokany enim-bolana ny zafikeliny

Sample post image

Raibeny namoa-doza 57 taona indray no nahavita nanolana ny zafikeliny vao 15 taona tao amin’ny fokontany Morafeno Atsimo, kaominina an-drenivohitr’Arivonimamo, volana maromaro lasa izay.

02-mars-2022

 Efa bevohoka enim-bolana mantsy ilay tsy manan-tsiny vao fantatra ka rehefa nanontaniana ity farany dia nandritra ny fivahinianany tao amin’ity raibeny ity no nanaovan’ity farany izao filan-dratsiny izao. Manoloana izany dia nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity taorian’ny fitoriana nataona ramatoa iray 38 taona izay mpitsabo renin’ilay zaza ihany. Fantatra ary fa olona manana ny maha izy azy ao an-tanàna tokoa raiben-jaza nahavanon-doza ity satria dia nitazona ny laharana faharoa nandritra ny firotsahana ho fidiana ho ben’ny tanàna farany teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia niaiky tokoa izy fa nanolana ity zafikeliny vao 15 taona monja ity. Hatolotra ny fampanoavana anio Alarobia 02 Martsa ny raharaha. Tokony ho mailo hatrany moa isika Raimandreny manan-janaka vavy manoloana ny tranga tahaka itony. Na ny ray niteraka aza mantsy mahavita manolana amin’izao mainka fa ny dadabe sy ny dadatoa. Raha azo hatao dia ezahina ihany koa ny ankizivavy kely na ny zazavavy kely tsy hanao fitafiana manaitaitra raha araka ny resaka nifanaovana tamina manam-pahaizana momba ny saina hisorohana ny filan’ny lehilahy tsy hirongatra.
Pati
Legende : Ity ilay raibe nahavanon-doza
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap