dia tsy azo ialàna izany resaka delestazy izany, hoy ny Randrana sendikaly. Tsy misy vahaolana izany ny fanjakàna, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, nefa ny tena voa mafy ao anatin’io dia aty amin’ny tontolon’ny asa. Ankoatran’ireo mandray karama isam-bolana dia mikaikaika koa, hoy izy, amin’izao fotoana izao ireo miasa tena. Efa tsy voakajy intsony hoe adin’ny 4 sa adin’ny 6 fotsiny izao ny delestazy fa efa tena miitatra be. Mametraka tsindry eny amin’ny orinasa foana ny fanjakàna. Miezaka mitady vahaolana ny orinasa nefa miakatra indray ny fandaniana. Izay izany no tsara fantatry ny rehetra hoe na dia miakatra aza ny fandaniana eny amin’ny tontolon’ny mpampiasa dia ny hetran’ny fanjakàna tsy maintsy aloha foana. Miitatra be izao ny asa voanjo satria hoe mila akarina ny vokatra nefa ny fandaniana ferana. Vao tara kely ny hetra dia efa mandeha ny fanenjehana ny mpampiasa. Hiditra amin’ny 6 volana faharoa amin’ny taona 2025 izao tsy misy miresaka karama mihitsy. Tsy miresaka mpiasa mihitsy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny asa, ny fanjakàna. 2019 ny filoham-pirenena no namaritra ny tokony ho karama farany ambany. Niova indray izao ny maridrefy hoe mila manana 3 Dolara isan’olona isan’andro vao lazain’ny firenena mikambana fa tsy mahantra. Efa mitombo foana no dikan’izany ny mahantra eto Madagasikara satria teo amin’ilay 2,15 Dolara aza efa be dia be no mahantra. Olom-bitsy izany sisa tsy mahantra eto Madagasikara. Ny fitondràm-panjakàna tsy ahitam-bahaolana mihitsy. Manamafy ny fitakianay hoe tokony ho 10 Dolara isan’andro isan’olona no karaman’ny mpiasa io mari-drefin’ny firenena mikambana io. Nialan’ny orinasa maro bala tsy hampiakarana karama moa ilay fampiakaran’i Etazonia hetra ho 42% ho an’ireo entana miondrana any amin-drizareo nefa tsy misy afa-tsy 40%n’ny orinasa eto no manondrana any. Isaorana manokana ireo orinasa manaja fifanarahana hoe mampiakatra karama foana isan-taona na inona na inona fanapahan-kevitry ny fanjakàna. Mangina ny minisiteran’ny asa. Inona izany no ilàna azy eo nefa manao fety foana saika isan’andro ny fitondràm-panjakàna? Tsy afaka hiteny izany hoe tsy manam-bola ny fanjakàna? Izay ve no tsy nanitsiana ny tetibola na LFR? Na fanitsiana karama aza ve izao tsy misy nefa ny vidim-piainana miakatra be? Vao nandray fitondràna ny fitondràna ankehitriny no efa nisy ny delestazy. 7 taona lasa izay dia mbola miteny ihany ny JIRAMA hoe hatramin’ny faran’ny taona aloha dia ho eo foana io. Miaiky izany ny fitondràna fa tsy misy ny vahaolana ary tsy ho tanteraka ilay hoe tsy maintsy mandroso. Ahoana no inoana fa tsy hiteny ohatran’izany intsony ny JIRAMA amin’ny 2026 hatramin’ny 2028? Zo fototry ny vahoaka ny misitraka herinaratra sy rano ary adidy fototra na «devoir régalienne» ho an’ny fitondràna ny manome azy izany. Tena tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA ny minisitry ny angovo! Inona fotsiny ary izany no ho ataony eo sa inona koa no mba fampandrosoana ny angovo miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka efa vitany teto, hoy hatrany ny Randrana sendikaly, amin’izao 3 taona tsy hifaranan’ny fotoam-piasany izao?
J. Mirija
Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340
Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny
Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny