airtel

Actualités

20-août-2021

Actualités

Ranomafana May kilan’ny afo ny tranon’ireo zandary

Sample post image

Nitrangana haintrano goavana tao amin’ny tobin’ny zandary Ranomafana Ifanadiana afak’omaly tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro.

20-août-2021

Samy tsy nisy tao an-tokantranony ireo zandary sy ny ankohonany tamin’io fotoana io, raha araka ny fantatra. Tsy fantatra ihany koa izay nipoiran’ny afo fa ilay lelafo sy setroka be efa niparitaka no nanaitra ny rehetra. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia vita amin’ny hazo avokoa ireo trano ireo ka mora niitatra ny afo.Trano 2 noho izany no lasa lavenona tanteraka, 4 simba vokatry ny famoahana entana tao anatin’ny hamehana, 2 hafa voakasiky ny afo, saingy voavonjy ihany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Tao anatin’ny ora iray sy sasany vao maty tanteraka ny afo nifanomezan’ny zandary sy ny fokonolona tanana. Misokatra ny fanadihadiana ny amin’ny antony nahatonga ny afo.
Nangonin’i Pati


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap