airtel

Actualités

18-juil-2024

Ratsisetraina Ollie Ollie

«Tsy miaraka ny hoe fampandrosoana sy tsy fanarahan-dalàna»

Sample post image

Isan’ny zavatra tena ilain’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ny Fanabeazana,

18-juil-2024

hoy ny filohan’ny fikambanana na «association» Manampy, Ratsisetraina Ollie Ollie. Voakasik’izany daholo, hoy izy, na ankizy na lehibe na tanora na antitra. Miroso hatrany amin’izany hetsika fanabeazana izany ny association Manampy satria liam-pivoarana sy fampandrosoana. Nofinofy ihany izany fampandrosoana tsy misy fanabeazana izany. Miara-miasa akaiky amin’ny Coalition FGE izahay amin’iny resaka fanabeazana iny dia mahazo fifanarahana matetika amin’ny resaka atrikasa momba ny atao hoe «clarification des valeurs» na fanasongadinana ireo soatoavina izay hanentananay mpandray anjara isan-karazany entina ampitaina amintsika malagasy hoe izao no fomba fitondran-tena ho an’ny tanora, ny resaka fanabeazana maha olompirenena na «civisme» satria rehefa voavehy anatina fitsipika na «discipline» sy miaina izany ianao dia mazava ho azy fa manarangarana koa ny fampandrosoana. Raha miaina anaty tsy fanarahan-dalàna kosa nefa mitsinjo fampandrosoana dia mifanohitra ihany izany. Tsy miaraka ny hoe fampandrosoana sy tsy fanarahan-dalàna, hoy hatrany ny fanazavan’ity filohana fikambanana ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap