airtel

Actualités

23-févr-2022

Actualités

Ratsivahiny , Dadan’i Brayan « Tsy ekeko ny fikitikitihana an-janako »

Sample post image

Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana ny alatsinainy teo ny raharaha Depiote Andry Ratsivahiny na Dadan’i Bryan sy ilay mpampianatra taranja ara-panatanjahantena (EPS),

23-févr-2022

 fa niezaka nitondra fanazavana teo anatrehan’ny toe-draharaha izay niteraka resabe io olom-boafidy teny amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano io omaly. "Andry Ratsivahiny dia tsy mpanao tsindrio fa lavo izany, ny fikitikihana an-janako kosa tsy ekeko. Noho ny fahatairako sy amin'ny maha Raim-pianakaviana ahy no nanaovako ireny. Efa matetika no manana olana ara-pahasalamana i Brayan ary misy taratasy mazava amin'ny Dokotera izany, hoy ny Depiote Andry Ratsivahiny. Ialana tsiny raha ohatra ka ao anatin’ny fo ranomafana. Na inona na inona zava-misy ny Raim-pianankaviana dia tsy maintsy hiaro ny zanany, hoy io depiote io. Somary mampametra-panontaniana kosa hoe: tsy tokony efa tany aloha na nandritra ny fifanazavana teo aminy sy ilay mpampianatra ny alatsinainy teo ve no naseho izany, na koa nampahafantarina hatry ny ela tany amin’ny tompon’andraikitry ny sekoly? Momba ny horonan-tsary, “Assumé”-ko ny zavatra nataoko tamin'ny fakana “vidéo” sy nandefa azy teto amin'ny Facebook. Betsaka ihany koa ireo naka “vidéo” ary matahotra aho sao ny an'izy ireo no lasa aloha ka mety havadiny zavatra hafa izany”, hoy hatrany i Andry Ratsivahiny. Mikasika ilay antso natao tamin’ny minisitra kosa, “tokony homena fiofanana sy mahay “premier soins” ny mpampianatra EPS hialana amin'ny ankizy maty eo am-panaovana izany, izay no niantsoaka ny Minisitra mba hijery ny zavamisy" hoy ny Dadan'i Brayan na Depiote Andry Ratsivahiny, raha nitafa tamin'ireo mpanao gazety omaly.


Tetsy andaniny, naneho Atoa Randriamanendrika Anjarasoa ilay mpampianatra EPS hoe : "26 taona nampianarana aho fa vao sambany no sendra izany hoe Raiamandreny tonga nanohitra ny fomba fampianarako teny am-panaovana fanatanjahantena”.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap