airtel

Actualités

16-juin-2021

Actualités

Ravo Nambinina Notorian’ny zandary ihany koa

Sample post image

Nohadihadian’ny zandary noho ny ampamoaka nataony mikasika kolikoly avo lenta tao anatin’ny Minisiteran’ny fahasalamana I Ravo Nambinina

16-juin-2021

 

 

 Ramasomanana. Afaka nody tany amin’ny fianankaviany tsy nisy arakaraka izy taorian’ny fanadihadiana naharitra ora dimy azy, teny amin’ny Sampana misahana ny heloka an’habaka etsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Hiroso amin’ny fitondrana miandalana hiatrika ny fanadihadiana any amin’ny zandarimariam-pirenena izy ireo, raha ny nambaran’ny mpisolovava Maître Eric Rafidison. “Efa tamin’ny septambra 2020 no nanantona ny Transparency International, navoaka ihany. Tao anatin’izay rehetra izay no notsoahina ny dosie maha mpiasa. Niresaka tamin’ny mpiasa, niresaka tany amin’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola, saingy tsy misy manana fahefana hamoaka an’io ve?”, hoy kosa i Ravo Nambinina.

NOTORIAN’NY ZANDARY

Tetsy ankilany, natao fanadihadiana hafa momba ny fitoriana nataon’ny zandary ihany koa izy. “Raha ny nambara taminay, rehefa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fitoriana azy, dia nisy nanao teny mahery niantefa tamin’ny zandarimariam-pirenena, hoy ny mpisolovava. Vesatra nitorian’ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) eo anivon’ny Primatiora ho nanaparitaka lainga mety hiteraka fanakorontanana moa no hanenjehana an’i Ravo Nambinina, saingy manamafy izy fa manana porofo. Niampy ny fitorian’ny zandary indray izany ny raharaha momba azy.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap