airtel

Actualités

11-janv-2022

Actualités

Ray nahavanon-doza Notsindroniny antsy ny tendan-janany..

Sample post image

Zava-doza ity trangam-piarahamonina tao Antsirabe ity! Lehilahy iray no nahavita namono amin'ny fomba feno habibiana ny zanany naterany ary mbola nanary azy any anaty renirano avy eo.

11-janv-2022

 Ny 07 janoary teo, antson'olona tsara sitrapo tamin'ny komandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe nilaza fa nalain'olona an-keriny tao an-tranony i R. Tahiana, raim-pianakaviana sy i ZARA Tobie zanany. Fiara tsy mataho-dalana Hyundai Terracan 5xxx TxH no nitondra azy ireo tokony ho tamin'ny 6 ora hariva ary tsy tratra antso intsony. Natao haingana ny fikarohana. Tonga tany an-tranon'i R Tahiana ny mpitandro filaminana hanao fitsirihana. Novelarina ihany koa ny sakana amin'ny lalam-pirenena. Tamin'ny 11ora sy sasany alina no voasakan'ny zandary (BPR Antsirabe) teo Vinaninkarena ilay fiara kanefa i R. Tahiana irery no tao anaty fiara. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa nisy naka an-keriny teo amin'ny gara ny zanany io hariva io. Fiara 4X4 entin'olona tsy fantatra no naka azy. Ny fihetsiny sy ny valinteniny anefa dia efa nampiahiahy ny zandary avy hatrany. Tamin'ny fitsirihana natao dia hita feno ra ny lakozia sy ny garazin'ny trano fonenany ary koa ny fiarany. Noho ny fahaizan'ny zandary tarihin'ny GPHC Raniriarisoa Olivier, komandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Andranomadio dia fantatra fa tsy azo antoka ilay filazana fahaverezan'i TOBIE. Amin'ny maha tao Antsirabe renivohitra ny tranga dia niarahana amin'ny polisim-pirenena ny fanadihadiana. Natao famotorana indray i R Tahiana, teo vao niaiky fa izy ihany no namono ny zanany. Notsatohany antsy tao an-dakozia ny tendany, ary rehefa maty dia nentiny nariana any an-drenirano atsimon'i Manandona. Nentina haingana izy hanoro ny toerana nasiany ny razana ka indro tokoa hita teo ny vatana mangatsiakan'ity zanany fahatelo (4 ny zanany) sisa hita. Mbola eo am-panaovana famotorana ny polisy sy ny zandary ka tsy mbola afaka omena eto ny antony namonoany ity zanany fa raha ny fantatra dia ilay zaza faha-4 farany no saika hovonoiny saingy "mbola kely loatra", araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Hatolotra ny fampanoavana moa ny raharaha rehefa vita ny famotorana, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R sy Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap