ankehitriny ny vahoaka malagasy raha ny mikasika ny fankafizana ny atao hoe vako-drazana malagasy, hoy ny mpitarika ny tarika Rabejean Miarinarivo, Razafindrabe Jean France Wysco. Tamin’ny andron’itompokolahy Philibert Tsiranana, hoy izy, izany no tena be mpankafy taloha. Lefy laza avy eo ilay izy taorian’ny fahalasanan’ireo zokibe toa an-dry Rakoto Frah, Rakotomavo Gabriel, ireo zokibe maro nivoy ity kolontsaina ity. Tsy hoe tsy nanao ny taranaka fa vokatry ny hamafin’ny fanatontoloana dia hita ho somary niafy ilay kolontsaina maha izy azy ilay firenena. Ny vanim-potoana ankehitriny kosa dia hita ho miha velom-bolo indray ilay taranja. Hita izany rehefa manao fitetezam-paritra ny tarika ary eo no mahatsapa ny olona hoe tsara ny vita malagasy fa tsy ampy sehatra hanehoana azy. Izay no tena angatahana amin’ny minisiteran’ny kolontsaina hoe tokony mba asiana toerana manokana ahafahana manao vakodrazana fa ny tranom-pokonolona Isotry, ohatra, izao efa lasan’ny fiangonana zandriny. Ny hira gasy izao manana kianja atokana ho azy. Lasa an-kilabao ny vakodrazana. Isan-taona izao misy fandefasana solontena malagasy mankany Inde. Olona miisa 3 na 4 no mba tena alefan’ny minisiteran’ny kolontsaina isolo tena ny firenena malagasy any amin’ny hoe mahay ilay taranja. Olona voafantimpantina fa tsy mba misy fakàn-kevitra amin’ilay tena mpisehatra ilay izy. Mpanao mozika ankehitriny na mpanao rock ve no alefa nefa hoe isolo tena ny kolontsaina malagasy? Ivereno jerena ny fomba fifantenana tamin’ny repoblika voalohany dia mba ianaro fa efa andron’ny fanavaozana sy fanovàna izao, hoy hatrany izy.
J. Mirija