airtel

Actualités

13-avril-2021

Actualités

Rinah Rakotomanga "Mpibizina fanafody 5 no efa voasambotra"

Sample post image

Nahitsy ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga omaly

13-avril-2021

 

 

 

 tao amin’ny pejiny manokana ao amin’ny tambajotran-tserasera naneho, fa mpibizina maloto manaraotra amin’ny fanafody satria misy milahatra eny amin’ny CSB maka ireo fanafody maimaimpoana dia manangona sy mivarotra izany amin’ny vidiny lafo dia lafo avy eo. Mbola nampiany aza taorian’izay hoe: “TDO na Tonga Dia Omana fanafody ny “dose” iray avy hatrany izay milahatra fanafody eny amin’ny CSB II rehetra. Ho hita ny tena marary marina sy ny mpibizina, hoy izy. Nambary moa taorian’ireo, fa olona 5 no voasambotry ny mpitandro ny filaminana mivarotra fanafody eny an-dalana. Arahi-maso akaiky ireo CSB sy ireo miasa ao amin’ny fizarana fanafody, hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Mirongatra ny fifanararaotana amin’ny endriny maro ankehitriny, izay tena ilàna ny fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny Fanjakana na ny fanafody, na ny oxygène,… Rehefa ampy sy mitosaka ary amin’ny vidiny mirary eny amin’ny toerana natokana ho amin’izany anefa ireny fanafody sy filàna ara-pahasalamana ireny, dia mihena ho azy ny fanararaotana. Matoa miseho izany ankehitriny, dia misy ihany koa ny lesoka avy amin’ny Fanjakana. Lasa toy ny entam-barotra sy bizina hatrany anaty tambajotran-tserasera ny fanafody, ka mila fandraisana fepetra mafonja.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap