airtel

Actualités

20-janv-2021

Actualités

Ritra Ikopa Nifanotofana ny fakana trondro

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka ny hafanana eto amintsika. Efa mihoatra ny 36 °C

20-janv-2021

 

 

 


isan’andro ny heriny tato anatin’ny andro maromaro izao hany ka ritra hatramin’ny ranon’Ikopa. Ho an’ny eny Ampasika sy Anosizato ohatra dia efa tena azo handehandehanana mihitsy ao ambany tetezana. Tonga marobe ireo mpaka trondro noho izany raha mahatsiaro mijaly kosa ireo Renim-pianakaviana mpanasa lamba. Raha teny amorony fotsiny mantsy teo aloha ireto farany dia efa mahavita manasa lamba, ankehitriny tsy maintsy mirotsaka eny afovoany miloloha koveta feno lamba miaraka amin’ny sceau raha mbola hiadivana ihany koa ny toerana. Tsy misy azo hatao anefa fa tsy maintsy miandry ny ranon’orana hilatsaka izy ireo. Fanantenan’ny maro ny hisian’izany manomboka anio sy rahampitso alakamisy na dia ao anatin’ny fandalovan’ny rivo-doza Eloise aza. Ho an’ny trondro manokana moa dia tsara raha mailo sy mitandrina avokoa ny rehetra rehefa mividy azy ireny. Tsy vitsy mantsy ireo trondro maloto miparitaka ka anisan’ireny ny avy ao amin’ny ranon’Ikopa izay toerana fanasan-damba sy fanarian’ny sasany maloto. Tsiahivina fa efa mahatratra 16.000 Ar ny iray kilao amin’ny trondro amin’izao eny an-tsena.

Pati
Legende : Ela ny ela ka ritra toy izao ny reniranon’Ikopa

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap