airtel

Actualités

29-avril-2021

Actualités

Rivo Rakotovao Nampitandrina ny minisitry ny fahasalamana

Sample post image

“Madagascar a des morts (…) Mais ce n’est pas effroyable”, io no isan’ny fehezan-tenin’ny Minisitry ny Fahasalamana Malagasy

29-avril-2021

 

 

 

Pr Hanitrala Jean Louis Rakotovao tao amin’ny haino aman-jery Frantsay France 24 ny talata 27 aprily teo mikasika ny valanaretina coronavirus. Azo adika malalaka amin’ny hoe: misy tokoa ny matin’ny coronavirus eto Madagasikara, saingy maivana tsy dia mampatahotra na mampivarahontsana loatra.Mafy ny fanakianan’ny filohan’ny antenimieran-doholona teo aloha, Rivo Rakotovao, omaly mikasika ity fomba fanehoan- kevitry ny minisitry ny fahasalamana Malagasy, ny Profesora Jean Louis Hanitrala Rakotovao. Profesora Rakotovao, Minisitry ny Fahasalamana, hoy izy, miala tsiny fa tena tsy rariny intsony ny fomba fanehoanao hevitra. Tsy nisedra havana maty sy marary tokoa angamba ianao ka manimbazimba ireo olona ao anatin'ny alahelo sy fahoriana fa namoy ny havany. Nolazainao fa "Maivana tsy dia mampatahotra loatra ny fahafatesana misy mitranga eto Madagasikara." Fa ahoana? Mitandrema ihany fa aleo halan'andriana toa izay hankahalain'ny vahoaka! Nataoko tsy misorona izao teny izao ho fanajana ny fahatsiarovana ireo havako sy namako, ny mpiray tanindrazana maty. Samy ho tahian’Andriamanitra isika rehetra ka omeny fahasitranana sy fahasalamana, hoy hatrany ny tenany. Mety manana ny heviny sy ny fijeriny ny minisitry ny fahasalamana, saingy maro ny voatsindrona sy nandray ny teniny ho tsy voalanjalanja na sanatria manompa ny Malagasy mihitsy aza. Manan-danja be ny teny avoaka, ny fitondran-tenan’ny manampahefana, ary saropady ny resaka fahasalamana; saingy tsy vaovao moa tato ho ato izay ny maheno mpitondra ambony miteniteny foana na mamoaka vava tsy voalanjalanja .

J. Mirija sy Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap