airtel

Actualités

03-févr-2022

Actualités

Rivodoza BATSIRAI Isan’ireo mahery vaika tato anatin’ny 30 taona

Sample post image

Tany amin’ny 840 km antsinanan’Ambila Lemaitso no nisy ny foiben’ilay rivodoza BATSIRAI omaly tamin’ny 3ora tolakandro.

03-févr-2022

 Niakatra ho 195 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 275 Km/h. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 17 Km/ora. Tsy miova ny vinavina fa manambana ny morontsiraka antsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity ary hiditra an-tanety eo anelanelan’ny Vatomandry sy Mananjary ny Sabotsy 05 Febroary 2022 atoandro na tolakandro, hoy ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Tombanana ho rivodoza mahery vaika hatrany izy amin’izay fotoana izay ka hahatratra 175 Km/ora ny rivotra miaraka aminy. Hamakivaky ny afovoan-tany, ary tombanana hivoaka an-dranomasina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny Alahady 06 Febroary 2022.Miova ho toy izao ny filazana loza. Mampiatra ny fepetra amin’ny filazana miloko maintso mikasika ny rivodoza ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto : Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Antalaha, Mandritsara, Tsaratanana ary Taolagnaro. Entanina manokana araka izany ny mponina voakasikin’ny fanairana mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity ary hanaraka tsara ny toro-marika omen’ny manam-pahefana. Efa mahazo hery ny varatraza ka entanina ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo mba tsy hiandriaka intsony, hoy ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Tafiditra tatsy amin’ny Nosy Maurice omaly i BATSIRAI. Matanjaka ary atahorana satria sokajy faha 4 no misy azy amin'ny mari-pandrefesan'i Saffir-Sampson. Mitovitovy amin'ny rivodoza Enawo izay nandravarava teto amintsika tamin'ny 2017. Ny rivodoza Gerlda tamin’ny Janoary 1994 no isan’ny voasokajy ho nahery vaika sy nandravaravara indrindra tao anatin’ny 30 taona. Nahatratra 205/270km/ora ny rivotra sy ny tafiotra nentiny. Miisa 371 ny maty, ary 73 tsy hita popoka. Nahatratra 10 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ny fahasimbana nentiny. Faharoa ny rivodoza Gafilo tamin’ny 2004 izay nitondra rivotra 263km/ora, 363 ny maty, ary 250 tapitrisa dolara ny tombam-bidin’ny fahapotehana. Samy tao anatin’ny sokajy fahadimy na Cyclone Tropicale Très Intense no nisy an’i Gerlda sy Aruna. Isan’ny niavaka ihany koa i Haruna 150/200km isan’ora ny rivotra sy tafiotra, izay namely an’i Madagasikara ny 22 febroary 2013, nampiakatra ny rano tany Toliara,… Ny taona dia nandravarava ihany koa i Enawo, izay nanana tanjaka 290 km/ora, namono olona 81, 18 tsy hita popoka, 250 naratra,… Toy izao ny filahatr’ireo rivo-doza tao anatin’ny 30 arakaraka ny tanjany, ary ahiana ho isan’ny any laharana ambony no hisy an’i BATSIRAI : Geralda (1993-1994, Gafilo (2004), Hollanda (Febroary 1994), Gamède (martsa2007), Enawo (2017, Idai (2019), Charlane (Déc 2020), Ivan (2008), Bengiza (2011), Indlala (Mars 2007).


Tsara ny mizara sy mampahafantatra ireo sokajina rivodoza: TTM na Tempête Tropicale Modérée (Rivotra entiny 63-88 km/ora); FTT na Forte Tempête Tropicale (Rivotra entiny 89-117 km/ora); CT na Cyclone Tropicale (118-165 km/h); CTI na Cyclone Tropicale Intense (166-212 km/ora) ka ao anatin’io izany ny sokajin’i Batsirai hatry ny omaly; CTTI na Cyclone Tropicale Très Intense (miohatran’ny 212 km/ora ny rivotra entiny). Ny andian-drahona arahi-maso kosa dia antsoina hoe “PT” na Perturbation Tropicale raha latsaky ny 50 km/ora ny rivotra entiny ary DT na Depression Tropicale raha toa ka 50-62 km/ora izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap