airtel

Actualités

19-janv-2021

Actualités

Rivodoza Eloise Hiditra an-tanety anio alina

Sample post image

Mikisaka haingana miakandrefana somary atsimo-andrefana i Eloise tao

19-janv-2021

 

 

 

anatin’ny 24 Ora farany, hoy ny tatitry ny Sampan-draharaha misahana ny mety ho toetry ny andro omaly tamin’ny 10 ora maraina. Tamin’ny 09 Ora marainan’io omaly io, dia tany amin’ny 720 km Antsinanana somary avaratra-atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. Mahatratra 25 km/ora ny hafainganam-pandehany ary tsy niova ny heriny fa mitondra rivotra 65 km/Ora sy tafiotra 90 Km/Ora. Hanatona ny morontsiraka afoavoany-antsinanan’ny Nosy izy ato anatin’ny 40 Ora ho avy ka tombanana hiditra an-tanety amin’ny faritra Analanjirofo ny alin’ny talata anio 19 na ny marainan’ny Alarobia 20 Janoary ho avy izao amin’ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale”, hoy ny fanazavana. Iangaviana ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto mba hampihatra ny Filazana fanairana na ny filzana miloko maitso : SAVA, Analanjirofo, Toamasina I-II, Brickaville, Vatomandry, Mahanoro, Bealalana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Alaotra ary Moramanga. Vokatry ny ho fandalovan’ity rivodoza Eloise ity ny alin’ny Talata hatramin’ny Alakamisy izao, dia ho betsaka ny rotsak’orana amin’ny faritra avaratra, afovoany-atsinanana sy avaratra-andrefan’ny Nosy. Hifandimby kosa ny andro maina sy ny orana mahalana amin’ny faritra hafa.

 

Ankoatra io, tafiditra amin’ny fari-dranomasina Indiana omaly ilay rivodoza avy any amin’ny faritra Aostraliana JOSHUA. Tany amin’ny 09 Ora marain’ny omaly teo dia tany amin’ny maherin’ny 4 000 Km antsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny. 75 Km/Ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 105 Km/Ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahavita 14 Km/ora. Mikorontana ny atmosfera ivoarany ka vinavinaina ho levona izy afaka 03 na 04 andro ho avy.’

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap