airtel

Actualités

18-janv-2021

Actualités

Rivodoza Eloise Mahery vaika, ahiana ny tondra-drano lehibe

Sample post image

Tany amin’ny 1255 km atsinanana somary avaratra antsinanan’Antalaha no nisy

18-janv-2021

 

 

 

 

ny foiben’ilay rivodoza Eloise omaly 17 janoary tamin’ny 03 ora tolakandro teo ho eo. Mizotra miankandrefana somary Atsimo Andrefana ny diany ka mahafaka 17km/ora. Mahatratra 65km/ora ny rivotra entiny, izay arahina tafiotra 90km/ora, raha ny fanazavan’ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny mety ho toetry ny andro. Hanatona ny morontsiraka Afoavoany Antsinanan’ny Nosy izy ato anatin’ny 60 ora ho avy ka tombanana hiditra an-tanety amin’ny faritra Analanjirofo ny marainan’ny alarobia 20 janoary ho avy izao amin’ny tanjaka Forte Tempête Tropicale. Iangaviana ireto faritra sy distrika manaraka ireto mba hampihatra avy hatrany filazana fanairana na ny filazana Filazana Miloko Maitso: SAVA, analanjirofo, ToamasinaI-II, Brickaville, Vatmandry, Mahanoro, Bealalana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Alaotra ary Moramanga. Entanina ny mponina amin'ireo toerana ireo mba hanaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro sy ny toromarika omen’ny manampahefana eny ifotony, hoy ny antso avon’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Vokatry ny fanatonana sy ny ho fandalovan’i Eloise, dia ho betsaka ary hijojo tokoa ny amin’ny faritra maro any avaratr’i Madagasikara sy ireo toerana izay vinavinaina ny handalovany. Hioa-pampana ny rotsakorana ny 20 sy 21 janoary satria mety hihoatra ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora. Mila mailo sy mitandrina ny amin’ny mety hisiana tondra-drano sy fiakaran’ny rano amin’ny endriny samihafa.

Toky R

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap