airtel

Actualités

20-janv-2021

Actualités

Rivodoza Eloise tany Avaratra Olona roa tsy hita popoka

Sample post image

Omaly atoandro dia efa nisy fiantraikany be tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy ny rivodoza Eloise.

20-janv-2021

 

 

 

 Isan’izany ny fiakaran’ny rano. Fiara tsy mataho-dàlana iray no latsaka sy lasan’ny ranotrambo tao Antoboka, raha niala an’Antsiranana hiazo an’Andranovondronana ny atoandron’io 19 janoary 2021 io. Olona 4 no tao anatiny, ka avotra soamantsara ny roa, saingy naratra. Lasan’ny rano niaraka tamin’ny fiara tany kosa ny olona roa hafa. Avotra tamin'ny alalan'ny fitaovana nampiasain'ireo avy amin'ny orinasa mpamokatra sira ao Namakia ilay fiara tsy mataho-dàlana iray lasan'ny ranotrambo tao Antomboka izay nitondra olona efatra avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana omaly 19 janoary 2021. Hatramin’ny omaly, mbola tsy hita ireo roalahy izay lasan’ny rano. Entanina araka izany ny rehetra mba ho mailo hatrany amin'ny loza mety ateraky ny fiakaran'ny rano amin'ireo faritra handalovan'ny rivodoza Eloise.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap