airtel

Actualités

14-janv-2022

Actualités

Roby Alphonse efa nogadraina in-dimy “Saika hovonoina tao Tsiafahy noho ny ady aho”

Sample post image

“Resaka tany efa vita ny raharaha Belambo any Toamasina II, fa mivadika ho habibiana. Misy tany 148 Ha niadiavan’ny vahoaka tamin-dRtoa Ranoromalala.

14-janv-2022

 Efa nisy didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany n 19 jona 2017, taty amin’ny 01 desambra 2020 dia efa nohamafisin’ny “Cour d’appel”. Nangataka “suspension” izy ireo, saingy nolavin’ny fitsarana tampony. Miziriziry ilay madama haka ny tany, namidiny tamin’ny orinasa Zital ny 129Ha. In’efatra nogadrain’io madama io aho tany Ambalatavoahangy nanomboka 2016, ary indray mandeha tany Tsiafahy farany teo. Resaka tany, saingy hamoronana zavatra hafa,… 1 volana sy tapany aho no tany, nahazo fahafahana vonjimaika,...”, hoy i Roby Alphonse Filohan’ny Fikambanana Fagnanko niaro ireo vahoaka lasibatry ny ady tany. Im-betsaka notorian’izy ireo io madama io saingy tsy mba voakitika, mifono resaka kolikoly, ary fantatro tao Tsiafahy, fa nisy ny fikasana hamono olona na “tentative d’assassinat”, hoy i Roby Alphonse. Nilaza izy fa nanarama “Pénitencier” ny olon-dratsy, saingy ireo no nilaza hoe: mitandrema ianao, fa mikasa hamono anao io olona io. Resaka tany ve no hamonoana olona satria resy, ny olona efa manomboka miverina amin’ny tany, koa miantso ny fahefam-panjakana hijery io raharaha io, hoy izy. Miantso sazy henjana satria taratry ny ady tany io, poretin’ny mpanam-bola ny madinika, endriky ny tsy maty manota. Afaka nitsangana sy niteny mazava tamin’ny vahoaka Malagasy aho, fa tsy mety intsony. Efa notorianay im-betsaka io tao Toamasina, saingy tsy voakitika. Ny zandary tsy nisambotra, fantatro ny fifandraisan’izy ireo. Amin’izao mba efa nisy fiovanana, mba nisy vokany ny fitarainana na “doléance publique”,... Olona 2700 eo ny vahoaka, fa ny voagadra sy voadaroka efa tsy voaiisa. Trano an-jatony tafo no efa notrongisiny teo,... Nilaza moa i Roby Alphonse fa efa voasambotra, ary eny amin’ny Brigade de recherche eny Fiadanana io madama io amin’izao fotoana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap