airtel

Actualités

17-déc-2021

Actualités

Roland Ratsiraka Nanangam-bovona momba ny CVO, sisin-tany,..

Sample post image

Nanohy ny tsikera mivaivay fanaony ny depiote Roland Ratsiraka omaly ka naneho, fa fomba fanodinkodinam-pankalana mazava be ny fanafody sy tambavy CVO fa tsy resaka famahana ny olana ara-pahasalamana,

17-déc-2021

 hoy izy manoloana ny fanapahan-kevitra hizara CVO. Tsy mahomby, na depiote aza nisotro an’io maty, tsy “normal” izany, heloka bevava izany amiko, hoy izy. Raha hoe nanao fanondranana, dia hatramin’izao tsy mbola nisy firenena nanao kaomandy, porofo fa tsy mahomby, raha ny nambarany. Fanodinkodinana volam-panjakana, volam-panjakana no hividianana ny CVO zarazaraina. Firy tapitrisa dolara ny vola lany tamin’ny CVO nanomboka tamin’ny valanaretina. Aiza ny nandehanan’ny 400 tapitrisa dolara? Hoy I Roland Ratsiraka. 1 tapitrisa dolara « bonbons sucettes », « subvention » ho an’ny fizahantany nalefa any amin’ny Air Madagascar,.. hoy izy. Nambrany fa vahaolana dia tsotra, manao fampiasam-bola amin’ny fameloman’aina any amin’ny hopitaly. Mila fitaovana toy ny oxygène, fanafody,… kanefa tsy ampy tany amin’izay nalehany. Mitaky fanokafana sisin-tany ihany koa I Roland Ratsiraka 200 tapitrisa dolara tsy niditra tao anaty kitapom-bolam-panjakana noho io, ny 30% dia tao Nosy Be, noho ny fikatonana. Nambaran’I Roland Ratsiraka fa ny “Aviation Civile” iraisam-pirenena dia miantso ny firenena rehetra tsy hanidy sisin-tany, fa tsy paikady tsy mahomby foana, fa ny fepetra sakana no apetraka ary entanina ny vaksiny satria tsy ampy ny vita vaksiny. Tsy manentana olona hanao vaksiny ny Fanjakana, ka mampalahelo fa mbola CVO ihany. Izy ary manao vaksiny antsokosoko, mbola tereny ny olona amin’io, ka tsy io no vahaolana fa fepetra sakana sy vaksiny, hoy I Roland Ratsiraka.

Avy any Avaratra ny Praiminisitra, kanefa tsy miteny momba an’I Nosy Be, Diego, Toamasina,… Fantatro ianao fa madio, maranin-tsaina, kanefa tsy miaro ny faritra misy anao, ka mametraha fialàna satria tsy maintsy arovana ny faritra rehetra fa tsy Antananarivo irery, hoy I Roland Ratsiraka manoloana ny fahitana fa tsy mandray andraikitra ny Praiminisitra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap