airtel

Actualités

27-juil-2022

Actualités

Roland Ratsiraka Tsy hijanona raha tsy mivaha ny olana…

Sample post image

Mitohy hatrany ny fanitrikitrihan’ny solombavambahoakan’i Toamasina I, Roland Ratsiraka, fa tsy ara-drariny ny fitantanana ny fihariana lavanila eto amin’ny firenena ataon’ny fitondram-panjakana.

27-juil-2022

Vahaolana maika sy maharitra ho an’ny mpisehatra lavanila 800 olona izao no ilaina, hoy izy. Ao ny mpamboly, mpanangom-bokatra na “collecteurs”, mpanomana na “préparateurs” , ben’ny tanana, sefo fokotany. Ny solontenan’ny mpanondrana na “représentants exportateurs” no nivoahan’ireto fanapahan-kevitra miisa 6 ireto izay nofidiana ary lany 100% tamin’ny tsangatanana. Voalohany dia ny hoe avereno ifotony ny fahefana manapa-kevitra ny raha momba lavanila. Faharoa, foanana ny vidiny raikitra na « prix fixe » fa tsy io no nahalafo lavanila tamin’ny 2017. Fahatelo, amorao ny fahazoana fahazoan-dalana na «agrément». Fahahefatra, alalaho araka ny lalàna 97-046 izany. Fahadimy, samy manaova ny asany ny mpiara-miombon’antoka, ny fanjakana miahy ny fandriampahalemana, ny mpandraharaha mandraharaha, ny mpamboly mamokatra. Fahaenina, hafatra sy antso. Andapa, Antalaha, Andrakata, ny solombavambahoaka dia miantso ny mpandraharaha sy ny mpamboly lavanilina izay tsy faly mba hanandratra “t-shirt” volomboasary ary haneho ny olany amin’ny alalan’ny horonantsary. Manome ohatra eto ny tenany. Nampihorohoro ny hotely izay tokony nampiantrano ny fivoriana karakarain’i Roland Ratsiraka tao Andapa sy Antalaha ny manam-pahefana, ny prefe sy ny mpitandro filaminana. Ny fandalovan’ny filoham-pirenena hono no anton’izany . Tokony ajanona ny fivoriana. Nanizingizina ny solombavambahoaka ary dia vonona ny hifampiatrika tamin’ny manampahefana nanakana ireo fivoriana izay sady anaty efitrano fa tsy ankalamanjana no tsy misy tokony hatahorana. Tontosa ihany ny fivoriana na teo aza ny fahatarana, ny fiovana teo amin’ny toerana ary dia 200 isa teo ho eo ihany ny olona nanatrika satria dia natahotra noho ny fampihorohoroana avokoa ny hankabetsahan’ireo nasaina, hoy hatrany i Roland Ratsiraka, nanamafy fa tsy hijanona raha tsy mivaha ny olana momba ny Lavanila.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap