airtel

Actualités

04-avril-2022

Actualités

Rolly Mercia Amin’ny jona 2024 vao ho afa-bela

Sample post image

Ny jolay 2020 no nadoboka am-ponja ny Minisitry ny serasera teo aloha Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nitsotra i Mamy Ravatomanga izay mpampiasa teo aloha fa tena nitory azy tokoa,

04-avril-2022

fa hoe nanao fijoroana vavolombelona sandoka niaraka tamina fikambanana tany Frantsa izy. “Nanoratra fifonana tamiko izy, tokony hieritreritra lalina mialohan’ny zavatra, hoy ity mpandraharaha ity. Nangataka famelana izy, ny asan’ny tribonaly asany, dia anjarany ny manapa-kevitra amin’ny resaka ady heloka. Tao anatin’ny taona maro no nanimbana ny hajako, fampahatsiavina no ataoko fa tsy valifaty. Tsy manana olana aho, fa mba misy kosa fiainana, misy fianankaviana, olona 4000 ny olona ampiasaiko ka tsy potehiko amin’izao. Tsy hoe vitan’ny fifonana fotsiny…. Notezaina tamin’ny finoana kristianina anefa aho, tsy manana olana intsony aminy aho fa tsy afaka “mi-assumer” ny fianankaviako, ny zanako tsy nahita ny tsy fahitany teto an-tany,... Manana ny fahaleovantenany ny fitsarana dia izy no mahita ny tokony hataony. Tsy azo sintonina intsony fitoriana satria izy efa voaheloka”, hoy i Mamy Ravatomanga. Fitoriana mikasika ny hoe: famotsiam-bola, trafikana boaderozy, hosoka ara-ketra,… moa no isan’ny nanenjehana an’i Mamy Ravatokamanga, izay toa alahelony ny fitoriana sy fijoroana vavolombelona nataon’i Rolly nalefa tany amin’ny PNF (Pôle national financier) tany Frantsa, ary nisintona izany tato aoriana. “Nogiazana ny fananako, ireo izay trano novidiako ho an’ny zanako telo tamin’ny 2008. Tonga teto ny iraka nanao fisavana ny tranoko sy ny biraoko, ny zanako tany Frantsa nahita ny tsy fahitany, 3 taona aho tsy afaka nivoaka teto, fa namoahana IST,... Mampiasa olona 4000 aho, ary tsy hopotehiko sy holalaoviko amin’ny trafika ny mpiara-miasa amiko. Ampy iainan’izy ireo ny vokatra azon’ireo orinasa tantananay ireo, hoy i Mamy Ravatomanga. Raha zohiana, ho sarotra amin’i Rolly Mercia no ho tafavoaka ny fonja na teo aza ny fanehoan-dRavatomanga fa tsy manana alahelo intsony, izay tsy dia misy lanja na “valeur” araka ny lalàna, raha tsy misy taratasy mazava. Tsiahivina fa nohelohina higadra 44 volana i Rolly Mercia ny 15 oktobra 2020, izany hoe: amin’ny jona 2024 vao ho tafavoaka ny fonja.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap