airtel

Actualités

16-mai-2022

Actualités

Sakoroka tao Manakara Naratra hatramin’ny zaza menavava

Sample post image

Niafara tamin'ny rotaka sy poa-basy ny lalao antsoina hoe Anjara Vintana tao Bazary Tanambao ny sabotsy teo.

16-mai-2022

Tapakila iray voalaza fa isany nahazo ny lelavola 50 tapitrisa ariary tao anatin’izany lalao izany no fototra nahatonga ny korontana, raha ny fampitam-baovao voaray. Nolazain'ireo mpikarakara ny lalao fa hosoka ilay tapakila, hoy ny fanazavana, ka teo no nanomboka ny tsy fitovian-kevitra teo amin'ilay olona tompon'ny tapakila sy ireo mpikarakara izay niafara tamin'izao sakoroka izao. Tonga nandamina sy nanaparitaka ireo vahoaka moa ny mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena. Raikitra ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso sy tifi-danitra, nisy ny naratra ary nentina eny amin'ny biraon'ny polisy ilay tompon'ny tapakila lazaina fa nahazo ity loka fisarihana lelavola 50 tapitrisa ariary nanaovana fanadihadiana. Mpitandro filaminana iray no naratra ary teratany sinoa mpampilalao ity no voalaza fa voatora-bato. hatramina zaza menavava iray koa no naratra tao anatin’ity fifandoanana ity. Efa voafehin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana moa ny toe-draharaha raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap