airtel

Actualités

25-nov-2021

Actualités

Sakorokoka tetsy Anosy Fiarana Depiote, nisy nanaraka sy nibahana…

Sample post image

Nisehoana “scandale” na toe-javatra hafahafa mikasika olona ambony indray tetsy Anosy ny alin’ny talata 23 novambra manodidina ny tamin’ny 9 ora alina tany ho any.

25-nov-2021

 Nangitakitaka izay nahita satria toy ireny mijery gidragidra anaty horon-tsary ireny. Depiote vehivavy iray manana andraikitra ambony eo anivon’ny anivon’ny Antenimierampirenena, izay lany tamin’ny loko volomboasary no isan’ny mpilalao fototra tao anatiny. Voalaza fa nitondra fiara tsy mataho-dàlana marika V8 izy, ary niditra tao amina ivon-toerana fanaovana fizaham-pahasalamana iray eo Anosy. Nisy fiara iray hafa marika “golf” kosa anefa efa somary nitilitily sy nanara-maso an’ity depiote ity sy ny olona niaraka taminy, hoy ny loharanom-baovao azo antoka. Noho ny hivoaka ilay fiara dia lehilahy somary nanana endrika teratany vahiny karana no namily ilay fiara, fa tsy io depiote vavy io, hoy ny fanamarihana. Nanaraka avy aoriana ny fiara nitondra ireo mpiambina an’ity olom-boafidy ity. Nirifatra nisongona ireo fiara roa, ary nibahana avy hatrany ilay fiara nitondra io olom-boafidy io kosa ilay fiara “golf” ka nibahana teo amin’ny “4chémins” misy ny mihazo an’Anosy mandalo eo amin’ny Lapan’ny Fitsarana Tampony, misy mihazo ny Lisea Ampefiloha,… Voabahan’io fiara marika “golf” io ilay V8, ka nisy lehilahy nivoaka avy hatrany avy tao anatin’ilay “golf” ary nodarodarohany ity fiara tsy mataho-dàlana marika V8 ity. Ilay fiara nitondra ny mpiambina kosa nihemotra niala sy toa nanavotra ny tenany no nataony, izay toa maneho, fa olona mifankahafantatra ny tao anatin’ilay V8 voabahana sy ilay nivoaka avy tao anaty “Golf”, ka naleony niala ilany, araka ny fitenin’ny tanora, hoy ny fanamarihana. Toy ireny amin’ny horonan-tsary ireny, ary efa nietritreritra izahay, fa ho toy ny raharaha “Ambatobe II” ity ka hisy basy hipoaka ity androany, hoy ny mpitazana, saingy afa-niala ihany ilay V8. Raha ny tombambana, dia mety ny vadin’ilay olom-boafidy ihany ity nanara-maso sy nanaraka azy ity, ary heverina ho sakaizany kosa ilay namily ny fiara. Tombatombana ihany moa ny an’ny mpitazana amin’io resaka mety ho endri-pifandraisana eo amin’ireo olona tao anatin’ny horonan-tsarin’Anosy ny alin’ny 23 novambra io, fa ny azo antoka dia tena nisy ilay sakoroka, ary toa ireny nahita ampahana horonan-tsary malaza ireny, hoy ireo nanatri-maso.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap