airtel

Actualités

13-déc-2021

Actualités

Sambava Nokorontanin’olona nasesi-javatra ireo skoto

Sample post image

Tamin'ny 11ora sy sasany alina no nisy nanozongozona ny tempolin'Andriamanitra FJKM tao Tsararivotra izay natorian'ireo Skoto Fjkm tamin’ny Sabotsy alina teo ka nisy nanakotaba no sady niantso mafy ny Pastora,

13-déc-2021

 ny presibitera na katekista mba hivoaka any ivelany fa hisy faty olona. Raiki-tahotra ireo tanora tao an-toerana ka niantso ny anaran'i Tompo mba hiditra an-tsehatra. Vao vita anefa ny Amen dia nanomboka nanozongozona ny varavaran’ny fiangonana koa ity tovolahy nasesi-javatra ka nanomboka nanokatra an-keriny ny varavarana.Niantso vonjy tamin'ny manodidina tamin’ izay ireto farany ka vetivety foana dia raikitra ny fifanjevoana ary tonga ara-potoana ihany koa ny avy amin'ny zandarimaria izay sendra manao fisafoana mandritra ny alina ka voasambotra ilay lehilahy tompon'antoka tamin'izany. Natory tao am-piangonana ihany moa ireo skoto saingy niandry ny fotoana maneno akoho izao vao nanao dia be ho any Antalaha ka navondrona amin’ ny toerana iray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nanakorontana
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap