airtel

Actualités

09-juin-2022

Actualités

Sarona « dalle » eto an-dRenivohitra Misy maka ny ankamaroany, atahorana hamono olona

Sample post image

Misy manongotra ny ankamaroan’ireo sarona dalle eto an-drenivohitra. Ankoatra ireo eny Analakely dia nahitana izany maromaro indray teny Anosy izay marihina fa lavakabe tokoa ny ao ambaniny.

09-juin-2022

Atahorana hamono olona izy ireny araka izany indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina mora mahamaizina ny andro izao. Mahalany olona iray mihitsy mantsy ny halalin’ilay lavaka, hita akaikin’ny tobim-piantsonana taxibe miazo an’Ampitatafika. Antso avo araka izany no hatao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hijery akaiky ireny dalle tsy misy sarony ireny. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra eny an-toerana moa dia amin’ny andro alina no tena hanaovan’ireo mpanao ratsy ity operation –na sarona dalle ity. Ahiana ho mitondra fiara mihitsy izy ireny hoy hatrany ireo mpivarotra noho ny havesatr’ilay sarona dalle iray vita amin’ny vy mifono simenitra iray manontolo. Ny tena atahorana dia mety hamoizana ain’olona tsy fidiny ny fanaovan’ireo mpanao ratsy izany. Olona tsy an’asa sy sahirana moa no tombanan’ireo mpivarotra eny Anosy ho nahavita izao fihetsika mampalahelo izao, izay marihina fa teren’ny tsy fananana ihany koa ka lasa manaotao foana.
Pati
Legende : Andraikitry ny kaominina ny manarona itony dalle tsy misy sarony itony !

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap