airtel

Actualités

02-août-2022

Actualités

Sendikan’ny mpiasan’ny APMF «Esory io Tale Jeneraly be kolikoly io »

Sample post image

Mitaky ny fanesorana ny Tale Jeneralin’ny (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) Capitaine de vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond, ny SYPAMM (SYndicat du Personnel de l'Administration Maritime de Madagascar)

02-août-2022

sendikan’ny mpiasa eo anivon’io antokon-draharaha io, araka ny taratasy fanambarana nataon’izy ireo ny 29 jolay teo. Nilaza ny SYPAMM fa mandala hatrany ny soatoavina eta nananany hatramin’izay ho fikatsahana ny tena fampandrosoana sy fampiroboroboana ny orinasa (APMF), izay nandinika lalina ny zava-misy ao amin’ny APMF ary nijery akaiky ny asa izay efa nataon'ny Tale Jeneraly na tany amin'ny CFIM (Centre de Fusion d'informations Maritimes) na ny tao amin'ny ankehitriny. Ankehitriny, milaza ny mpiasa fa misy ny fanaovana kolikoly avo lenta miaraka amin' ny orinasa vahiny mikasika ny fahazahoana sy fanaparitahana ny AlS (Automatic Indentification System) miaraka amin'ny CFIM ka nanajanonana ny fizarana ny AlS efa novidin'ny APMF; Mihazakazaka mafy ny hametrahuna ho PGA (Port à Gestion Autonome) ny seranan-tsambo lehibe rehetra izay vavahady fidirana eto Madagagasikara tsy misy fifampiresahana tamin’ny mpiasa ary efa mampanomana anton-tataratasy tekinika mikasika izany ary milaza ny Tale Jeneralin’ny APMF amin'ireo toerana maro izay efa nalehany sy amin'ny olona izay mifampiresaka aminy amin'io fikasany io ihany koa ity tompon’adraikitra ity, hoy ny Sendika. Tondroin’izy ireo ho manapa-kevitra samirery tsy misy fifampíresahana amin'ny mpiasa ny zavatra lehibe atao amin’ny orinasa. Nahitsy ireo mpiasa nilaza fa maro tsy voatanisa ny zavatra tsy mety tsapan’izy ireo ataon’ny Tale Jeneraly. « Manamafy ny firaisan-kinanay noho izany izahay mpiasa ary manambara fa tsy manaiky ny mbola hiaraha-miasa amin'io Tale Jeneralin’ny APMF ankehitriny izay mpanao kolikoly, mitarika mankany amin'ny faharavan 'ny orinasa ka misy fiantraikany aminay mivantana; Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitrra ambony mahefa rehetra mba hanesorana tsy misy hatak’andro an’io Tale Jeneraly APMF io fa efa tsy mety aminay mpiasa intsony io olonaio », hoy ny SYPAMM, Mangataka izy ireo mba ho olona ao anatiny ihany no hotendrena ho tale Jeneraly vaovao izay mahalala tsara ny orinasa. Nomarihin’ny mpiasa fa fanambarana fanairana ihany io, ary manantena fa hihaino azy ireo ny Fanjakana. Raha tsy izany, hiroso amin’ny dingana ambony kokoa ny mpiasan’ny APMF.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap