airtel

Actualités

11-nov-2021

Actualités

Sendikan’ny mpiasan’ny boriborintany Manome 72 ora ny Fanjakana hamoahana ny namany

Sample post image

Nampiaka-peo ka nanome fe-potoana 72ora ho an’ny Fanjakana hamoahana ny naman’izy ireo ny Sendikan’ny mpiasan’ny boriborintany manerany Nosy, araka ny fanambaran’izy ireo omaly.

11-nov-2021

Lehiben’ny boriborintany efa miisa 10 mantsy no nogadraina noho ny raharaha hosoka amin’ny taratasin’omby. Milaza anefa ireto namany, fa tsy avy amin’ireo lehiben’ny boriborintany no lesoka sy ny olana. Maro ny bokin’omby efa novonoina, kanefa mbola miparitaka sy hampiasaina amin’ny hosoka. Maro ireo mpividy sy mpivarotra FIB (Fiche Individuelle de Bovidé) hosoka. Tokony foanana asiana « X » dia atao arisiva ireo efa lany andro, ka ny omby efa lafo sy maty, kanefa ny taratasy mbola eo, hoy izy ireo. Ampiasaina anefa ilay izy, fafana ny anarana, dia soloina, kanefa ny fitomboka sy ny Sonia, izay no mahasaringotra ny Lehiben’ny boriborintany, araka ny fanazavana. Nilaza izy ireo, fa tsy ekena ny fisamborana kanefa mbola tsy voaporofo fa meloka, ary miantso ny Fanjakana hanenjika ireo mpanao taratasin’omby hosoka ihany koa. Manome fe-potoana 72ora hamahana ny olana izy ireo, ary milaza hiakatra amin’ny dingana ambony kokoa, raha tsy mivaha izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap