Izy izany no hisolo an’Atoa Clément Jaona, izay Filohan’ny SMM voafidy farany. Miisa 3 ireo kandida nifaninana tamin’izany, ka ho an’ny vokatra teto Antananarivo, dia nahazo vato 156 izy, raha ny 77 ny an’ny kandida faharoa. Efa tokony ny 10 aogositra no natao ny fifidianana, saingy tsy nisy ny kandida na iray aza, ka omaly vao tanteraka izany. Ny volana martsa 2022 kosa anefa vao tena handray ny asa, ary eo anelanelan’izay no hifidianana ny Birao maharitra. Ao anatin’ny fifamindram-pahefana eo amin’ny mpitantana teo aloha sy ny mpitantana vaovao vao hampahafantatra ny vinany ny Mpitantana vaovao. Tao anatin’ny fampielezan-keviny kosa dia efa naneho ny eritreriny sy fanamby tiany hapetraka ity Filohan’ny SMM lany ity, ka isan’izany ny handraisana fepetra haingana sy hentitra hiadiana amin’ny fampiasana ny fitsarana ho fitaovana sy ny fitsabahana amin’ny endriny maro. Hamerina ny hasina sy fahefam-pitsarana indrindra amin’ny lafiny fampiharana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Handray fepetra eo anatrehan’ireo politisianina meheritreritra ny hitsabaka amin’ny raharaha anatin’ny fitsarana. Hanao izay hiakaran’ny karama sy ny tambin-karama mba hifanaraka amin’ny asa tsy maintsy tanterahina na “obligations professionnelles” mitatao eo an-damosin’ny mpitsara, ary mba hifanaraka ihany koa amin’ny vidim-piainana. Hamoha indray ny fifarahana momba ny tombotsoa efa nifaneken’ny rafitra telo toko tamin’ny jolay 2017. Fanomezana “indemnities d’eloignement” ho an’ireo mpitsara voatendry hiasa amina faritra lavitra sy mitoka-monina,
Toky R
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,