airtel

Actualités

12-oct-2021

Actualités

Siteny sy Mailhol Nihaona sy niresaka raharaham-pirenena

Sample post image

Nisy ny fihaonana sy fiaraha-nisakafo teo amin’ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko sy Pasitera Mailhol André Christian omaly.

12-oct-2021

 Voalaza fa nifanakalo hevitra sy niresadresaka raharaham-pirenena. Samy mpisehatra amin’ny raharaha politika ny roa tonta satria ny iray ankoatra ny maha mpitondra fivavahana azy, dia manana ny antoko politikany, efa kandida Filoham-pirenena tamin’ny 2018. Ny iray kosa ankoatra ny maha olom-boafidy azy dia misandrahaka amina lafin-javatra maro : depiote am-perin’asa, Filohan’ny Union Africaine de judo, politisianina, mpandraharaha, manana ny Fondation Siteny sy sekoly, manampy ireo ankizy hita hoe mila fanampiana ary mankasitraka ireo hita fa mahay ihany koa,… Heverina ho misy ny fampitoviana tandin-dokanga ahafahana mijery lavitra momba ny raharaham-pirenena, ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana, ny fiaraha-miasa,… Manitatra ny ambaindain’ny fifandraisany amin’ny sokajin’olona eto an-toerana sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Siteny Randrianasoloniaiko amin’izao fotoana izao, raha tarafina amin’ireo sokajin’olona nihaona taminy tato ho ato, raha ny sary samihafa mivoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap