airtel

Actualités

21-juil-2021

Actualités

Soamahamanina Nisy namaky ny fasan-drazan’i Mamy Ravatomanga

Sample post image

Ny 15 jolay 2021 lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no tonga nanao fampahafantarana ny zandarimaria ao amin’ny Borigadin’i Miarinarivo ny lehilahy iray mponina ao amin’ny Fokontany Antsahalava Kaominina Ambanivohitr’I Soamahamanina,

21-juil-2021

 fa nisy olona tsy fantatra namaky ny fasam-pianankavian’ny mpandraharaha malaza Atoa Mamy Ravatomanga filoha tale Jeneralin’ny Vondron’Orinasa Sodiat. Vao nandre an’io ny mpitandro filaminana, dia nandefa zandary 4 avy hatrany nijery ny zava-misy sy nanangom-baovao sy nanao fanadihadiana ny toe-javatra niseho, hoy ny loharanom-baovao. Araka ny fahitan’ny zandary azy, dia nisokatra ny fasana, tsy nisy kosa ny razana na taolana nisy nangalatra, fa nataon’ireo olon-dratsy savahao nitadiavana zavatra sarobidy kosa ny razana, hoy ny tatitry ny zandary. Ny zandarimarian’i Miarinarivo no manao ny fanadihadiana, ary nasana zandary roa miambina ny fasana mandra-pahavitan’ny fanamboarana, hoy ny vaovao azo taorian’io toe-javatra io. Nisy ilay rahalahin’ity mpandraharaha fanta-daza ity nodimandry vao tsy ela, ka mety noheverin’ireo olon-dratsy fa nisy zavatra sarobidy nampombana ny maty na nahazo loharanom-baovao momba izany izy ireo, hany ka tonga hatrany amin’ny famakiana fasan’olona. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap