airtel

Actualités

20-mai-2022

Actualités

Soanierana Ivongo Tratra ilay rangahy nitondra vola 13.000.000 Ar nandositra

Sample post image

Ela ny ela fa tratran’ny mpitandro ny filaminana ihany ilay lehilahy iray nampitondraina vola mitentina 12.700.000 Ar mba omena olona nefa nentiny nitsoaka.

20-mai-2022

Tany Soanierana Ivongo no nitrangan’izany, herinandro vitsy lasa izay. Nametraka fitoriana avy hatrany tompom-bola noho izany ary nanokatra fanadihadiana ny Polisy ka tratra ilay rangahy .Vola 12. 700 000 Ar sisa no hita tany aminy ary efa nandrombinany nataony sakafo sy nividianany omby ilay izy raha araka ny loharanom-baovao. Naverina tany amin'ny tompony avokoa moa ireo vola ireo sy ilay omby efa novidian'ilay rangahy. Tsy tsara intsony ny mametraka fitokisana aman’olona amin’izao indrindra fa resa-bola. Tena fakam-panahy loatra mantsy izy ary mety hamotika ny fihavanana mihitsy raha mpihavana.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap
22-avril-2024

Efa miditra tsikelikely mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika izao raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija.

Card image cap
19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap