Hizara telo ny fampodiana ka ny voalohany dia fampodiana ireo gidro Lemur catta 16. Ny manaraka dia voalahatra amin'ny 3 sy 6 desambra 2024. Mandritra ny fotoam-panokanana monina azy ireo, dia ho raisin'ny mpitsabo biby sy ny teknisianina manam-pahaizana ireo biby ireo. Hapetraka ao amin'ny toerana manokana izy ireo, izay hahazoany fitsaboana mifanaraka amin'izany sy hiarovana azy ireo mialohan’ny famerenana azy ireo any amin'ny tontolo iainany voajanahary. Raha hiverenana dia tratra ny 1 mey 2024 teo tao Thailande ny sokatra 1117 sy gidro 48 avy aty Madagasikara. Nisy tamin’ireo anefa maty noho tsy fahazakana ny fiovana ara-tontolo iainana. Noho izany, gidro 31 (Eulemur fulvus) sy sokatra 914 tortues (155 tortues radiées, Astrochelys radiata, ary 759 tortues araignées, Pyxis arachnoides) no hampodiana eto aorian’ny fampodiana ny andiany voalohany. Fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny fanjakana malagasy tamin’ny Fanjakana Thaïlandais niampy ireo mpiara-miasa ara-teknika sy ara-bola no nambara fa nahafahana nampody ireo biby. Amin'ny sehatra iraisam-pirenena, ny fanavotana ireo biby ireo dia raisina ho fahombiazana lehibe, vokatra avy amin'ny fiaraha-miasa, ary ny fandraisana anjara mafonja avy amin'ny fikambanana iraisam-pirenena toy ny ONUDC (Organisation des Nations unies contre la Drogue et le Crime) sy United for Wildlife. Azo lazaina ho mahomby ny fampodiana ireo biby saingy manao ahoana ny fifehezana ny harena eto na ny manan’aina na ny an-kibon’ny tany na ny anaty rano ? Tena mahomby ve ny Fanjakana ? Tena tsara tantana sy mivadika ho fanohitra ara-toekarena eto ve ny harenantsika sa olom-bitsy no mitavana sy migalabona aminy ?
Toky R
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,