airtel

Actualités

24-juin-2022

Actualités

Solika 64 000 litatra Efa tonga tao amin’ny Jirama vao nanjavona…

Sample post image

Mbola manjavozavo hatreto ny momba ilay afera goavana fanodinkodinana solika hatrany amin’ny 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama, izay voalaza fa nanjavona tsy hita popoka.

24-juin-2022

Olona 8 no voarohirohy ka ny 2 mpamily ary ny 6 kosa mpiasan’ny Jirama. Niakatra fampanoavana ny 20 jona lasa teo ity raharaha ity, ka nahazo fahafahana arahina fepetra ireo voarohirohy. Omaly nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpamily izay nilaza fa tsy mitombina ny fitoriana, ary nanirikitrika fa efa naterina ny entana, efa nisy ny “bon de livraison” sy “bon de reception” ara-dalàna, nosoniavin’ny tompon’andraikitra, hoy izy ireo. Navoakan’ireo mpamily ny antontan-taratasy mirakitra izany. Lavinay tanteraka ny filazana fa tsy tonga teny amin’ny Jirama Ambohimanambola ny entana, hoy izy ireo, izay nanamarika fa ny 15 aprily no tsy tonga ny entana kanefa ny 2 jona vao tonga ny fampahafantarana milaza fa tsy tonga. Olona 3 no manasonia ary faninefany vao ny mpamily, hoy hatrany ny fanamarihana. Mahatsapa ho atao sorona na “bouc émmissaire” amin’ity raharaha ity ireo mpamily izay voalaza fa itakiana lamandy, tadiavina hampandoavina vola hatrany amin’ny 400 tapitrisa Ar. Mampametra-panontaniana noho izany hoe: iza marina ary izany no nampanjavona ireo solika tsy toko tsy forohana tokony ho nanodinana ny Jirama? Tsy mazava ve izany fa ny tao amin’ny orinasa no atidoha tao anatin’ity raharaha ity? Tena avo lenta ity raharaha ity, ary heverina fa olona maro no mety ho niara-niketrika ny afera. Mety mandeha ny fifampiaroavana avo lenta. Ny resaka fanodinkodinana soliky ny Jirama dia efa nosokajiana ho heloka bevava mampidoboka am-ponja avy hatrany hatrizay saingy toa hamaivanina izany ankehitriny. Ny vahoaka etsy andaniny mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny faktiora lafo sy midangana, ny Jirama mivarotra fatiantoka hatrany, ny afera maloto goavana anefa mbola mitohy hatrany,… Sanatria ve dia havela ho vitavita ho azy hatrany ka hoboriboriana sy hampanginina tsimoramora amin’ny hoe: efa mandeha ny fanadihadiana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap