fanasoniavana fifanarahana iraisampirenena miisa 4 be izao, dia fara faha ratsiny mba nisy tahaka izany koa tamin’ity taona ity nandritr’ilay fihaonambe iraisampirenena momba ny asa na CIT natao tany Genève, Soisa, ny 3 hatramin’ny 14 jona teo, hoy ny Randrana sendikaly. Tamin’ny herintaona nisy ilay fifanarahana faha 190, mikasika ny ady amin’ny herisetra amin’ny toeram-piasana izay tokony nosoniavina tamin’ny taon-dasa fa tsy nosoniavina, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo Barson Rakotomanga. Nihevitra ny rehetra hoe nankany hatramin’ny filoham-pirenena tamin’ity taona mba hanasonia zavatra toy ireny niaraka tamin’ny delegasionina mafonja, mba hisy vokany, saingy tsy nisy. Nandany vola sy nitehatehaka fotsiny izany ry zareo tany fa tsy nisy vokany. Efa nilaza moa ny Randrana sendikaly fa tsy mahasolo tena ny mpiasa malagasy akory ireo solontena nentina tany ary tsy ara-dalàna. Nentina hitehatehaka fotsiny izany. Tsy manana finiavana hampandroso ny tontolon’ny asa mihitsy izany ny fitondram-panjakana raha izao fahitana azy izao. Ny minisitra izay mba neritreretina hoe tena hijery ilay tontolon’ny asa lasa manenjika fihaonana etsy sy eroa fotsiny. Ny taona 2023 mbola tena be dia be ny fanenjehana mpitarika sendika. Fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenana fa 87 sy 98 izany na fanitsakitsahana ny fahalalahana sendikaly, izany hoe, «atteinte à la liberté syndicale». Tokony noresahana tany izany nefa ireny niverina nody ireny fotsiny ireo delegasionina malagasy. Tsy nanao «tam tam» akory aza satria tsy nitondra vokatra fa ireo nijanona teto an-toerana indray nisy vokatra kokoa, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,