airtel

Actualités

20-avril-2021

Actualités

Sophie Ratsiraka Nanome tanana nanamaitso ny "Rond point" Ambohimangakely

Sample post image

Niova endrika ho mavana ny "Rond point" eo Ambohimangakely mampifandray ny Lalam-pirenena faharoa amin’ny By-Pass.

20-avril-2021

 

 

 Feno voninkazo sy zava-maniry samihafa karazana sy haingo mahasarika ny maso eo an-toerana noho ezaka nataon'i Kaominina Ambohimangakely, niarahana tamin'ny olontsotra, Sophie Ratsiraka zanaka vavin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy orinasa tsy miankina, nanajary sy nanamaitso. Ankoatra ny hamaitso sy hatsaran'izany toerana mandray anao raha miditra avy amin'ny lalam-pirenena faharoa, dia eo ihany koa ny endrika fivoarana sy mirindra avy dia manaitra. Raha loto sy lobolobo no nisy teo teo aloha, dia ny haikanto sy karazan-javamaniry maro no tsikaritra eo ankehitriny. Miverina miaina eto amin'ity toerana ity avokoa ny lolo, ny angidina, ny coccinelles...zay efa tena mihalany tamingana raha ny eto an-drenivohitra manokana no jerena. Tonga teny an-toerana nizaha imaso ny fiovana ary nankasitraka ny tetikasa ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Baomiavotse Vahinala Raharinirina. “Manosika ny sehatra tsy miankina sy ny tompon'orinasa hatrany ny tenako hiroso amin'ny fiaraha-miasa ara-tontolo iainana toy izao, ho fanatsarana ny tanintsika sady fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana, izay sarobidy loatra ho an'ny fahasalamann'ny mponina sy ny kalitaon'ny fiainany”. Nisaotra an-dramatoa minisitra tamin'ny fankasitrahana sy ny fanotronany ny asa vita i Sophie Ratsiraka. Nisaotra ireo olona rehetra miara-miasa sy manampy azy nahatontosa an'io tetik'asa io nandritrin'ireo volana maromaro izay ary nisaotra ny Ben’ny tanàna Ambohimangakely ihany koa izy tamin'ny fahatokisany.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap