airtel

Actualités

27-juin-2022

Actualités

STAR Tour teny amin’ny Coliseum Fahombiazana tanteraka, nofaranana tamin’ny asa fanadiovana

Sample post image

Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay hetsika Star Tour nokarakarain’ny orinasa Star nentina nampiala voly ny vahoakan’Antananarivo teny amin’ny Coliseum Antsonjombe nandritra ny 5 andro.

27-juin-2022

Nifarana ny sabotsy hariva teo izany izay nanasana ny mpanao gazety sy ny fianakaviany. Tsy voahisa intsony ireo olona tonga nanohana sy namaly ny antson’ny orinasa Star raha araka ny fantatra. Tsy nisy vidim-pidirana rahateo ny hetsika natao teny an-toerana no sady narahina fizarana loka sy kilalao ho an’ireo nandray anjara tamin’ireo karazana hetsika maro samihafa. Tanjon’ny orinasa Star moa ny hanomezana fahafaham-po ireo vahoaka manerana ny faritra lalovany isaky ny misy hetsika tahaka izao. Raha mahazo izany hatrany ny ao Antsirabe dia entina hitety faritra maro ny hetsika mba tsy ho tompon-trano mihono ny rehetra. Tsiahivina moa fa mpanankato mihoatra ny 15 isa no tonga nanafana ny lanonana teny an-toerana nandritra io 5 andro io, hetsika izay irian’ny mponin’Antananarivo ny hitohizany hatrany, indrindra fa rehefa fetin’ny Asaramanitra tahaka izao. Toy ny fanaony moa dia tsy nanao ambanin-javatra ny fanadiovana ny toerana avy hanaovany lanonana tahaka izao ny orinasa Star. Mian-dahy miam-bavy ireo naira-nanadio ny teny amin’ny Coliseum tamin’ny faran’ny herinandro teo ho fiarovana ny tontolo iainana sy ho fanajana ny mpiara-belona.
Pati
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap