Mpianatra roa vavy mantsy no lasan’ny rano ka namoy ny ainy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano, mpianatra ao amin’ny CEG Sandravinany, ZAP Sandravinany, fari-piadidiam-pampianaran’i Vangaindrano. Ankoatra izay dia sekoly miisa 152 no voakasika, miparitaka amina fari-piadidiam-pampianarana miisa 20. Ny 74 tamin’ireo dia tany amin’ny Faritra Analanjirofo avokoa raha teto amin’ny Faritra Analamanga ny fito. Nahatratra 128 ireo efitranon-tsekoly simba tanteraka vokatr’izany, dimy ireo lasa hitoeran’ny traboina, 209 ireo nahitana fahasimbany ny am-pahany tamin’ny efitran-tsekoly raha 130 ireo sekoly naboridan’ny rivotra tanteraka ny tafony. Na izany aza efa misy ny ezaka tanterahin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny fanarenana ny fotodrafitrasa amin’izao hahafahan’ny mpianatra miverina mianatra haingana. Anisan’izany ny fandefasana misionera any amin’ireo fari-piadidiam-pampianarana tena nahitana olana goavana toy ny ao Toamasina I, Fenoarivo Atsinanana, Brickaville ary Manakara. Mbola nanamarika moa Atoa Tsitoara Serge, talen’ny fampitam-baovao eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly fa tsy misy ny fiovan’ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana, hatramin’ny omaly nitafany tamin’ny mpanao gazety.
Pati
Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy