airtel

Actualités

23-juin-2021

Actualités

Tale jeneralin’ny ACM Manao M.A.P eto an-toerana fa tsy any ivelany

Sample post image

Ny 20 jona lasa teo no namoahan’ny Minisitra sady depiote teo aloha Anthelme Ramparany tamin’ny tambajotra fa « Araka ny siosion-dresaka dia nalefa nitsoaka any Afrika Atsimo tamin’ny

23-juin-2021

 « Jet privé » indray ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) sy ny fianakaviana, izay mody nanao M.O.P (Main d’œuvre Pénale)tao amin’ny Minisitry ny fitaterana. Raharaha volamena 73.5kg voageja tao Afrika atsimo ny nanenjehana azy ». Nialoha io, ny 16 jona teo no navoakan’ny Gazety an-tsoratra iray, fa araka ny loharanom-baovaon’izy ireo dia manao MOP ao amin’ny Minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro Tale Jeneraly Atoa Tovo Ramaholimihaso Rabemanantsoa Tale jeneralin’ny ACM. Raha ny nambaran’ny fampahalalam-baovao iray ny takarivan’ny alatsinainy 21 jona, izay nilaza fa nanana ny loharanom-baovao avy amin’ny Fitsarana kosa dia M.A.P (Mise à la disposition) no natao azy, fa tsy MOP (Main d’oeuvre pénale). Nilaza kosa ny fianankavian’ny Tale Jeneralin’ny ACM, fa tsy marina ary tsy marim-pototra ny nambaran’Atoa Anthelme Ramparany. Tsy navoaka an’i Madagasikara izany io tompon’andraikitra ambony io, raha ny fanamafisan’ny fanankaviany hatrany. Avo lenta ity raharaha ity,
Toky R

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap
17-avril-2024

Tovovavy kely iray vao 16 taona monja niasa an-tranon’olona avy any ambanivohitra no fantatra

Card image cap
17-avril-2024

Ady vehivavy no namonoana olona tamin'ny fomba mahatsiravina tao Marovotsy Tsiareky Ambovombe ny alin'ny 14 Aprily 2024 tamin'ny 8 Ora Alina.

Card image cap
17-avril-2024

Hanampy tosika ara-bola amin’ny fiveloman’ny mpikambana ny biraon’ny Zanak’i Mahabako

Card image cap
17-avril-2024

Voararan’ny lalana ny mitazona zaza tsy ampy taona ao an-tokantrano ka zanak’olona na

Card image cap