airtel

Actualités

16-août-2022

Actualités

Tale Jeneralin’ny APMF “Tsisy resa-bola ny fiaraha-miasa amin’ny Britanika”

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Tale Jeneralin’ny APMF (Agence Portuare Maritime et Fluviale), manoloana ireo fanenjehana sy fanaratsiana azy, izay ambarany fa olom-bitsy ao anatin’ny Biraon’ny sendika no manao azy.

16-août-2022

Momba ilay lazaina fa A.I.S na « Système d’Identification Automatique des Navires », dia nambarany fa fitaovana hahafahana manara-maso ny toerana misy ny sambo, hanarahana ny làlana alehany ary ny hahafantarana ny hafainganam-pandehany eny ambony rano. Ny fanenjehana ataon’ny sendika dia momba ilay AIS type B, fitaovana efa novidian’ny APMF talohan’ny nidirany nitantana an’io orinasam-panjakana io, raha ny fanazavany, izany hoe efa vita ny fividianana azy, fa tamin’ny fotoana nitondran’ny Tale Jeneraly ankehitriny kosa no nandraisana ireo fitaovana AIS Type B ireo. Nolazaina fa tsy avelan’ny Tale jeneraly aparitaka fa kosa manome vahana ilay Balise AIS ao anatin’ilay tetik’asa MISIS-TU miara-miasa amin’ny Agence Spatiale Britanika, sy ny Stone Three sy ny ExactEarth, ary koa ireo mpiara-miombon’antoka eto Madagasikara ahitana ny CFIM (Centre de Fusion d’information Maritimes, Tafika andranomasina, CSP, ary ny ARTEC sy ny APMF. Mitovy fa tsy sahala ireo fitaovana A.I.S voalaza tetsy aloha ireo. Antony ara-teknika no mbola tsy nanapariahana izany satria : io fitaovana io dia tsy mahavita afatsy “10 nautiques” ka hatramin’ny “30 nautiques”, ny hahazoana ny ako ampitainy izany hoe eo amin’ny 18 ka hatramin’ny 28 kilometatra eo ho eo ny fetran’ny ako ampitainy (signal), hoy izy. Tsy afaka mampiakatra izay singam-baovao tiliana mankany amin’ny zanabolana raha tsy misy ilay antsoina hoe “Station côtière”… Ny tsy mbola fisian’ireo “Station côtière” ireo sy ny “plate forme de visualization” no antony tsy mbola nanaparitahana ilay Balise AIS type B izay novidian’ny APMF. Ny fitaovana AIS iarahana amin’ny Governemanta Britanika kosa dia vokatry ny fitsidihana nataon’ny Masoivohon’ity firenena ity ny CFIM, fony Tale Jeneraly nitantana izany orinasam-panjakana izany ny Capitaine de Vaisseau RANDRIANANTENAINA Jean Edmond (2016-2019), satria samy manana izany na isika Malagasy na ry zareo Britanika… Nandritra ny fitsidihana ofisialy natao tany Angletera teo anelanelan’ny 22-28 janoary 2018, no nisy fihaonana manokana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ny tompon’andraikitry ny ExactEarth ny amin’ny mety ho vahaolana entina hanaraha-maso ireo sambo madinika amin’ny alàlan’ny fampiasana ny teknolojia Satelite AIS. Tsy nisy resa-bola mihitsy tamin’izany fa fifanakalozan-kevitra ara-teknika tsotra ny amin’ny mety hanaovana tetikasa manokana fa fanalam-baraka sy fanosoram-potaka ary lainga afafy ireny atao amin’ny haino aman-jery ireny, hoy ny ampaham-panazavana. Nitondrany fanamarihana fa tsy misy an’izany kolikoly izany mihitsy satria fiaraha-miasa amin’ny Agence Spaciale Britanika ao anatin’ny tetik’asa IPP izay mamatsy vola izany, iarahana amin’ny orinasa ExactEarth, tsy misy vola aloan’ny Fanjakana Malagasy fa fanomezana na “don” ireo “balises” ireo. Nomarihana fa 800 ny fitaovana kasaina iaraha-miasa amin’ny Britanika raha 850 kosa no efa novidian’ny APMF. Nilaza koa ny Sendika fa 6700 ny sambo eto Madagasikara, izay nolavin’io Tale Jeneraly io marindrano izany fa 1609 eo ho eo ny sambo eto Madagasikara, hoy izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap