airtel

Actualités

07-avril-2022

Actualités

Tale Jeneralin’ny CNaPS Notendrena ho mpisolo toerana i Tsaboto Joslina

Sample post image

Voatendry ho tale Jeneraly vonjimaikan’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) indray rtoa Tsaboto Joslina Fridoline, araka ny tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra,

07-avril-2022

 tolo-kevitry ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy, ka nandraisana ny didim-panjakana manendry azy sy nanala ny tale jeneraly teo aloha. Anton’io ny raharaha mahavoarohirohy ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe izay nampidoboka am-ponja vonjimaika noho . Anisan'ny efa nitaky ny fanoloana azy sy ny fametrahana mpitantana vonjimaika azy ka tsy ahafahany miantsoroka ny asa. Tsiahivina fa efa nisahana io andraikitra io vonjimaika ihany nandritra ny volana maromaro i Tsaboto Joslina Fridoline, tamin'ny fotoana nanalana tamin’ny toerany an-dRabekoto Arizaka Raoul hatramin'ny 20 novambra 2019, nanedrena ny tale jeneraly farany teo. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny fitakian’ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny CNaPS ny fanesorana ny Tale Jeneraly Mamy Rakotondraibe mba ho fampiharana ny voalazan’ny lalàna, fa tsy azo tendrena amina andraikitra ambony olona voarohirohy amin’ny kolikoly. Henjana ny tsindrin’ny mpiasa na mbola tsy nisy didy nivoaka, ary nanitrikitrika fa tsy nisy fahadisoan’izy ireo ny famohana ny dosie fa tafiditra anatin’ny tolona aza. Mpiasa 9 no voatory saingy afaka avokoa, raha toa ka mpitantana 5 eo kosa no nidoboka am-ponja, ka isan’izany Tale Jeneraly. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap