airtel

Actualités

12-avril-2022

Actualités

Tale Jeneralin’ny ONE Nisy nitory eny amin’ny PAC sy BIANCO

Sample post image

Nitrangana korontana sy fifamaliana teo amin’ny samy mpiasan’ny ONE na ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana ny zoma 08 aprily lasa teo nandritra ny fifanakalozana resaka taorian’ny fahataperan’ny lahadiiky ny fivoriaben’ny sosialy ONE.

12-avril-2022

 

Antony ny fisian’ny raharaha mahavoarohirohy ny Tale Jeneralin’ny ONE Atoa RAKOTOSON Rija Herinasolo teny amin’ny BIANCO. Atoa RANAIVOSOA Rija Mamitiana Olivier Délégué du personnel no voatonontona ho nitory. Nilaza ampahibemaso ny Tale Jeneraly sy ny mpiasa Rtoa ANDRIANASOLO Mamialisoa, fa io delegen’ny mpiasa io no nitory teny amin’ny BIANCO (Bureau Indépendant ANti COrruption) sy PAC (Pôle Anti-Corruption) mahakasika ilay raharaha fandraisana mpiasa izay nivoaka an-gazety ary nahabe resaka teo anivon’ny ONE. Ny Mpitsara nandray an-tanana ny famotorana (Juge d’instruction) tao amin’ny PAC mihitsy no niteny izany fa ilay Delegen’ny mpiasa no nitoroka, raha ny nambara teo imason’ny mpiasa. Nandà izany anefa ilay Delegen’ny mpiasa ka namoaka fanambarana fa endrikendrika tsy misy porofo (accusation sans preuve) sy fanararaotam-pahefana (abus de pouvoir). Tsy vao izao, hoy izy, no nisy trangana fanararaotam-pahefana miharo tsy fanarahan-dalàna toy izany nandritra izay heritaona mahery naha Tale jeneraly an’Atoa RAKOTOSON Rija Herisolo izay, raha tsy hiteny afatsy ny fikasan’itsy farany handroaka tompon’andraikitra iray amin’ny tsy misy antony (licenciement abusif) ka saika ho nanoloany tsy araka ny lalàna mifehy (RGP) ny toeran’ilay olona ka omena an-dRtoa ANDRIANASOLO Mamialisoa, hoy ny fanamarihana. Dosie fampidirana mpiasa tsy ara-dalàna moa no voalaza fa anton’ity raharaha hanaovan’ny PAC sy Bianco fanadihadiana ity, raha ny loharanom-baovao. Hafa ny nahazo naoty ambony sy vita “entretiens” avy amin’ny komity misahana ny fampidirana mpiasa na “recrutement”, olona hafa napidiriny, tonga tany amin'ny PAC, hoy hatrany ny fanamarihana. Nisy ny firaisankinan’ny mpiasa, ka rehefa novakiana tamin’ny Tale Jeneraly ny fiantsoana (convocation) izay misy lalàna mandrara ny famoahana resaka anaty tsiambaratelon’ny fanadihadiana (secret d'enquête) sy “instructions”, dia niala toy ny tsy teo izy, raha ny fampitam-baovao. Mbola mandeha ny fandihadiana lalina na « enquête au fond ». Asa hanao ahoana ity raharaha ity fa raha ny resaka hafa mandeha dia misy mirehareha ho manana lamosina amin’ny olona ambony vao notendrena ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika?
Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

Card image cap
15-avril-2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

Card image cap
12-avril-2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

Card image cap
12-avril-2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Card image cap
12-avril-2024

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

Card image cap