airtel

Actualités

15-juin-2021

Actualités

Tale Jeneralin’ny SAM « Efa voafehy ny olan’ny fako eto Iarivo »

Sample post image

Nambaran’ny tompon’andraikitra fa efa voafehy tanteraka ny olan’ny fako eto amin’ny faritra Antananarivo Renivohitra

15-juin-2021

 

 

 satria efa tsy dia misy intsony ny fako miparitaka eny amin’ny fitombian’ny fako. Ohatra amin’izany ny fitombian’ny fako etsy Analamahaitsy ampitan’ny Galana izay feno fako manenika ny arabe rehefa tolakandro, kanefa amin’izao dia tafiditra ao anatin’ny « Bac à ordures » daholo ny fako haterin’ny olona, hoy hatrany ny fanamarihana nandritra ny fidinana ifotony teny an-toerana omaly. Nisy ny fanomezana dabam-pako avy amin’ny mpiara miombon’antoka PNUD na Firenena Mikambana an’ny SAM, ary mbola hisy maro koa ny mbola ho avy, hoy ny Tale Jeneralin’ny SAM (Société d’Assainissement Municipal) Kolonely Jaona Andrianaivo. Miisa 180 ny dabam-pako vy miparitaka taloha ary nisy ny tsy naharaka dia faritra 40 isa no natao 2 isakin’ny tomby, raha afaka nasiana izany ny toerana sy ahitana fa tena be fako. Nisy ny fiovana tamin’ny fomba fiasan’ny SAM mba hifanaraka tsara amin’ny CMH « Code Municipal d’Hygiène » mametraka ny ora amin’ny 4 hatramin’ny 8 ora alina ny fanariana ny Fako. Ary narindra manaraka izay ihany koa ny fiasa sy ny tsy havery ny fotoana be loatra, ka lasa ny folakan’ndro no mivoaka ny “camion” maka fako izay mifarana amin’ny 6 ora maraina, mba tsy haneligelina fifamoivizana. Hatramin’izay dia In-droa isan’andro dia misy ny “Agent” mitety faritra toerana fitombian’ny fako , mijery izay fako tokony alaina. Ankoatra izay dia misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny VIGIE amin’ny fametrahana ny “Camera de Surveillance” amin’ny fanaramaso ny fifamoivoizana , izay mifandrify amin’izay akaiky daba-pako dia natao ny hatafidiran’ny daba-pako ao amin’ny ilay sary , mba ahafahana mahita ny “Etat” ny dabam-pako io nadia mbola tsy teo ary ny “Agent”. Manentana ny mponina hanaja ny foto-drafitrasa ary mba “ordure Ménagère” ihany no hariana eny amin’ny daba-pako ny SAM. Misy ihany koa ireo dabam-pako miparitaka eny amin’ny “avenue” sy ny Fokontany mba tsy hisy ny fangalarana sy fanimba ary ny fanajana azy ireny, hoy ny antso avo.
 

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap