airtel

Actualités

27-janv-2026

TALEM-PARITRY

NY JONO AO BOENY Tafapetraka amin'ny toerany

Sample post image

Be-Rija Ravelomanantsoa

27-janv-2026

Tafapetraka amin'ny toerany soa aman-tsara ny Talem-paritry ny jono vaovao any amin'ny Faritra Boeny, Be-Rija Ravelomanantsoa. Tontosa ny faran'ny herinandro teo ny lanonana mifandraika amin'izany, na-trehin'ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana na-taon'ity Talem-paritry ny jono vaovao ity fa vonona izy hitondra ny anjara birikiny ho fampandrosoana ny Firenena. Notsiahiviny anefa fa mbola vonona koa ny tenany hijoro amin'ny foto-kevitra napetrany dia ny hiady amin'ny kolikoly, hijoro amin'ny Fahamarinana ary tsy manaiky ny tsy rariny. Ny toerana nomena hoy izy tsy midoika hoe : hanginana tanteraka fa vao mainka manosika ny tena hijery ireo tsy mety aza izany hahatanteraka ilay fanavaozana marina. Tsiahivina moa fa Be-Rija Ravelomanantsoa no Filohan'ny Vovonana AMF na ny Aroriaka Miorina amin'ny Fanarenana izay nijoro ara-panjakana tamin'ny taona 2025 lasa teo. Efa misy manerana ireo Firenena 11 isa any ivelany io Vovonana misy azy io izay mbola tena miompana amin'ny asa sosialy aloha hatreto no hataony. Hanampy ny mpiara-belona no antom-pisiany, indrindra fa ireo tanora te-hivoatra sy handroso amin'ny fiainana nefa tsy afa-manoatra.
Pati

Légende : Vonon-kijoro hatrany amin'ny Fahamarinana Be-Rija !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap