airtel

Actualités

07-nov-2025

Tambajotran-dRavatomanga

Mihamafy ny fandetehana, nahitana porofo mavesatra…

Sample post image

Mihazakazaka ny raharaha Mamy Ravatomanga

07-nov-2025

atsy Mauruice. Nisesy tao anatin’ny 2 andro ny fanadihadiana naharitra tao amin’ny FCC (Financial Crimes Commission) natao azy ny alarobia teo nitohy omaly. Nitohy tamin’ny fiakarana fitsarana avy hatrany tao Port Louis. Nandray fanapahan-kevitra ny Fitsarana taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ny dokotera mpitsabo an’i Mamy Ravatomanga, ny hametraka azy tany amin’ny « cellule policière », fa tsy any amin’ny Hopitaly nisy azy dia ny Premium Care ao Phoenix. Araka ny fanazavan’i Me Siddhartha Hawoldar, iray amin’ireo mpisolo vava azy: « Naverina am-ponja i Mamy Ravatomanga, saingy raha sendra fahasahiranana ara-pahasalamana, dia vonona ny dokotera mpitsabo azy hanome fitsaboana ilaina. ». Tao anatin’ny 15 taona izay, hoy hatrany Me Hawoldar, dia efa manaraka fitsaboana ara-pahasalamana any Maorisy ity mpandraharaha malagasy ity. Nitsimbadika vetivety anefa ny raharaha, teny an-dalana ho any amin’ny « cellule » an’ny polisy i Mamy Ravavatomanga, ka nentina tamin’ny seza misy kodiarana nampidirina tao amin’ny Coronary Care Unit (CCU) an’ny hopitaly Dr Jeetoo ao Port-Louis omaly tolakandro. Tsara ny mampahatsiahy, fa nanomboka ny 24 oktobra no natao andrimaso sy tao anatin’ny sokajin’ny olona samborina na « en état d’arrestation » i Mamy Ravatomanga. Dosie hatrany amin’ny 63 no efa nalaina mikasika ny raharaha mahasaringotra azy. Mitombo sy mivelatra ho heloka iraisam-pirenena amin’ny resaka famotsiam-bola, fampidirana vola maloto,… ka ho an’ny omaly tolakandro dia voampanga vonjimaika i Mamy Ravatomanga noho ny fiampangana iray momba fifanarahana amin’ny asa ratsy sy fiampangana roa momba fanadiovana vola maloto. Ny 10 novambra izao indray no voafaritra fa hiakaran’i Mamy Ravatomanga eo anivon’ny Fitsarana, ahitana ny tohiny.
POROFO MAVESATRA…
Ankoatra an’i Mamy Ravatomanga, niakatra fitsarana ihany koa i David Jean Christian Thomas, olona azy uperviseur ao amin'ny vondron’orinasa SODIAT. izay nolavina ny "libération sous caution." Na fahafahana arahina antoka ara-bola. Nandritra ny fotoam-pitsarana no nilazan'ny "Senior Investigator Soodagur", mpanao fanadihadiana avy ao amin’ny FCC fa nahitana porofo mavesatra tao anaty findain’i David Jean Christian Thomas. Manamafy ny fisiana vesatra sy fanamarinana ny fisiana heloka io, raha halalinina. Mbola ho lava mazava ho azy ity raharaha ity, indindra eo amin’ny fipetrahan’i Mamy Ravatomanga ho marary sy manaraka fitsaboana. Raha ny sary, tsy hamela mora fotsiny azy ny Maorisianina, ho sahirana izy eo anatrehan’ny fihitaran’ny raharaha ho iraisam-pirenena ka mety hiteraka ahiahy goavana toy ny resaka famatsiana ny mpampihorohoro, tambajotra mpanao heloka ara-toekerana iraisam-pirenena,... Andrasana kosa ny vokatra mivaingana amin’i Madagasikara manodidina ity raharaha ity : fampodiana ny vola sy harena heverina fa nalaina mivantana na ankolaka teto, ny fahatanterahan’ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika sy ara-pitsarana hahatanterahan’ilay didy fampisamborana iraisam-pirenena,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap