airtel

Actualités

29-janv-2021

Actualités

Tanora Zanaky ny Faritanin’i Toliara “Tsy ara-dalàna ny maha Filoha an’Atoa Jean Michel”

Sample post image

Manoloana ny toe-javatra niseho ny sabotsy teo, nifamondron’olona vitsitsy

29-janv-2021

 

 

nametraka an’Atoa Jean Michel Henri ho Filohan’ny FIZAFATO (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Toliara), dia manao fanambarana izahay, fa tsy mankasitraka ary mitsipaka ny fametrahana azy eo izahay, hoy ireo tanora zanaky ny faritanin’I Toliara tamin’ny alalan’Atoa Kotonirina Gildas Ernest. Nambaran’izy ireo, fa tsy nisy fifidianana, kanefa raha ny sata momba ny fikambanana no arahina dia isaky ny 2 taona ny fifidianana. Mampiatso fivoriam-be no fanao, ary miaraka mametraka daty sy komitim-pifidianana, ka mirotsaka avokoa izay te hirotsaka manam-paniriana hanatsara sy hampandroso ny fikambanana. Ny zava-nisy ny sabotsy teo anefa, araka ny vaovao azon’izy ireo satria mba nisy namana tonga tany ihany, nahatsiaro ho voafitaka nanao tatitra taminay, dia eo amin’ny olona 78 teo no tonga tao, hoy hatrany Atoa Kotonirina Gildas Ernest. Ny taona 2017 anefa, dia 2700 eo ny mpikambana. Manaitra ireo Raiamandreny sy Filoham-boninahitry ny Fikambanana hitsangana mba handamina io zavatra io satria tsy mety ny tsy mandeha amin’ny dingana ara-dalàna. Tsy Atoa Jean Michel no tsy tiana fa ny fomba nametrahana azy teo no tsy ankasitrahanay tanora zanaky ny faritanin’I Toliara, hoy ny fanambarana. Takianay ny hanarahana ny dingana araka ny tokony ho izy. Tsisy fifidianana fa napetraka fotsiny, ary an-tsokosoko, tsy nampahafantarina ny besinimaro, fa olona vitsivitsy no nivorivory tao, hoy ireo tanora zanaky ny Faritanin’I Toliara. Tsara ny mampahatsiahy, fa tamin’ny 2017 no nisy fifidianana farany nahalany an’Atoa Maharante Jean de Dieu, izay voatery nankany ampitan-dranomasina ny desambra 2018 noho ny toe-draharaha teto amin’ny Firenena. Nisy olona 3 napetraka hitantana vonjimaika, ary hanatanteraka ny fifidianana, saingy tsy vita.

Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap