airtel

Actualités

15-juil-2022

Actualités

Tantsaha mpamboly lavanila Leo sy tofoka amin’ny fanararaotana

Sample post image

Nitohy omaly ny hetsiky ny vahoaka tantsaha mpamokatra lavanila tany Sambava omaly. Raikitra ny grevy fanakanan-dàlana tao Andranomifotitra eo anelanelan’i Sambava sy Andapa.

15-juil-2022

Tezitra noho ny fanararaotana amin’ny vidin’ny lavanila ny vahoaka, ka nanakan-dàlana indray. Nobahanan’ny vahoaka andrin-jiro sy vato misavovona ny árabe, niaraka tamin’ny sora-baventy manao hoe: “Ry Mpitondra hajaina isan’ambaratongany. Tanteraho ny teny izay nolazaina fa mijaly izahay vahoaka. Vidio ny lavanilanay amin’ny 75 000Ar tsy misy trosa na hatak’andro azafady”. Misy mpanagama amin’ny vidin’ny mora ny lavanila, manjaka ny fanararaotana satria misy hatrany amin’ny 20 000Ar no tetehan’ny mpanararaotra hividianana ny lavanila. Mandeha ny "Transbordement" ka Andapa - Andranomifotitra 7 000Ar; Andranomifotitra - Sambava 8 000Ar. Ny vahoaka sahirana tsy manam-bola etsy andaniny, kanefa maty antoka raha hivaro-mora, hany ka io fanehoan-kevitra eny an-dalambe io sisa hevitra hitany. Somary nanaitra ihany koa ny fametrahana ny t-shirt volomboasary misy ny sarin’ny Filoha Rajoelina, izay mifono hafatra mafonja miantefa amin’ny Fanjakana, fa nisy ny fampanantenana goavana tsy tanteraka dia ny fampiakarana avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Efa nitotongana lavitra amin’ny vidiny teo aloha, lavitra be ny vidiny eny ifotony sy ny fanondranana,… kanefa mbola tratry ny fanararaotana manara-penitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap