airtel

Actualités

28-déc-2021

Actualités

Taorian’ny Jirama Tratry ny kiana mivaivay ny banky sasany

Sample post image

Mitohy hatrany ny fitarainan’ireo mpanjifana banky sy ny fametrahan’izy ireo fanontaniana ny amin’ny antony mahatonga hoe rehefa maka vola in-dray amin’ilay banky dia tomboan’ilay banky in-droa izay alaina,

28-déc-2021

 izany hoe, raha maka 200.000ariary ianao dia azonao ny 200.000ariary fa 400.000ariary no miala amin’ny kaontinao. Gaga ny tena, hoy ny mpanjifana banky iray. Tonga foana ny tao anaty kaonty. Fakana vola na “Retrait” miisa 4 karazana nampitomboany in-2 daholo. Atao ato an-trano ny vola hatahorana hangalarin’ny olona. Atao any amin’ny banky, izao no zava-misy, hoy hatrany ity mpanjifa ity. Efa tratra ny toy izany koa aho, hoy ny mpanjifa iray hafa nanamafy ary rehefa nanao “reclamation” na nangata-panazavana dia mba averin-drizareo ihany ny volako. Tsy mpanjifana banky tokana fa maro ireo ahenoana ity fitarainana ity ary raha ny fanazavan’izy ireo hatrany dia miverina foana ilay olana na efa vahana aorian’ny fitarainana aza. Lazain-drizareo fa olana amin’ny lafiny tambazotra na “problème de réseau” izao foana ilay izy, hoy hatrany ny voalaza. Misy milaza ho tratran’ny sazy amina karazana fandaniana isam-bolana na “pénalité” amin’ny “abonnement” mihitsy toy ny startimes, connexion, Canal sat, sy ny maro hafa noho io olana “réseau” io sy ny fahataran'ny fahatongavan'ny vola na “virement”. Maika ery ilay banky mampitombo sarany na “frais” sy ny hafa rehefa misy petra-bola na “action” mitombo kely ataonao na rehefa misy fahatarana ny fahatongavan'ny vola, hoy hatrany ny fimonomononan’ireo mpanjifa. Taorian’ny JIRAMA izany dia manomboka iangonan’ny rihitra sy mahazo ny anjarany koa ireo banky.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap