airtel

Actualités

30-août-2021

Actualités

Tapakila efa nozaraina Manao teny roa ny fanjakana

Sample post image

Mbola nitohy omaly ny fizarana sy ny filaharana tapakila teny Mahamasina. Hijerena ny lanonana hoy ny avy ao amin’ny Fiadidian’ny Repobika ny tapakila nozaraina nanomboka ny sabotsy teo,

30-août-2021

 araka ny fanehoan-kevitr’Atoa Désiré Rafidimanana tao amin’ny fahitalavim-panjakana omaly. Mbola miadry izay valitenin’ny CAF, mbola tena baraingo aloha hatreto. Tsy afaka mbola miteny mihitsy isika hoe ahoana sy ahoana? Raha ohatra hoe tsy mahazo mijery dia manan-kery amin’ilay lanonana fitokanana kianja fotsiny,… Raha mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny CAF moa hoe azo atrehin’ny mpijery ilay lalao dia sady manan-kery amin’ny lanonana fitokanana no hijerena baolina ilay tapakila. Amin’ny ankapobeny, mba ahafahana hijery ny lalao no nihazakazahan’ny olona hilahatra tapakila, na mety misy ihany aza ny liana amin’ny fitokanana ny kianja. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe: hanaiky ny hisiana famoriam-bahoaka mialohan’ny lalao ve ny CAF raha toa ka hitazona ny teniny amin’ny hoe tsy azo jerena ny lalao ? Miandry hatrany ilay valin’ny fifampiresahana avo lenta noresahin’ny Tale kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap