airtel

Actualités

09-juil-2021

Actualités

TASA Madagascar sy ny SANTYMAD Vaky ny ady, mifampitory eny amin’ny Fitsarana

Sample post image

Raikitra ny disadisa eo anivon’ny orinasa TASA Madagascar tantanan’ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre sy Tafs Ramafadrahona,

09-juil-2021

 lehiben’ny ivon-toeram-pitsaboana Santymad izay mpiara-miasa aminy taloha. Mifampitory eny anivon’ny fitsarana mihitsy ny roa tonta ankehitriny koa mbola andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
MPIARA-MIASA
Mpiara-miasa no niandohan’ny roa tonta raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre raha izy kosa no tompon’ny orinasa sy tompon’ny vola miasa rehetra. Notendreny ho tale mpisolo toerana ny mpitantana ny Santymad ankehitriny nandritra izany. Ny nampalahelo anefa raha araka ny filazany dia maro ireo zavatra tsy nety taorian’izay. Niandoha tamin’ny fandroahana mpiasa izany, nitohy tamin’ny fanodinana ny volan’ny orinasa ary tonga hatramin’ny fanodinana ny orinasa mihitsy ihany koa. Anisan’ny nasiany resaka manokana ny fivadihan’ny TASA teny Andoharanofotsy ho lasa Santymad. Tsy nisy fifampiresahana tamiko mpitantana ny TASA mihitsy izany hoy izy nefa izaho no tompon’ny vola miasa sy mbola nikarakara io ivon-toerana eny Andoharanofotsy izay lazaina fa Santymad io. Tsy nahazo tso-drano avy aty amiko mihitsy ny Santymad hoy hatrany izy.
MIFAMPITORY
Tohana noho izany tranga lazainy fa fisolokiana sy fanararaotam-pahefana izany ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre ka nitory ary nitondra ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana. Tamin’ny Alarobia lasa teo no niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha , nandalo ireo mpitsara mpanao famotorana ka arahi-maso ara-pitsarana ny mpitantana ny Santymad ankehitriny ( sous controe judiciaire). Mandrapivoakan’ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha hitorian’ny TASA ny mpitantana ny Santymad ity araka izany no hisian’izany. Na izany aza anefa dia fantatra ihany koa fa namaly bontana ny mpitantana ny Santymad. Nitory ny lehiben’ny orinasa TASA Madagascar ihany koa izy niampy olona vitsivitsy izay nambarany fa hananany vola.
Legende : Ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre sy Tafs Ramafadrahona tsy mifanaraka intsony
VOLA SY FITAOVANA
Manodidina ny 60 tapitrisa Ar raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre no tontalim-bidin’ny fanafodiny sy ny fitaovany voahodina. Tafiditra ao anatin’izany ny solosaina entin-tanana, ny bioscan fijerena ny aretina rehetra ao anatin’ny olona marary iray izay hananany fahazoan-dalana ara-dalana ny fampiasana azy….Notsiahiviny moa fa tsy manakana ny Santymad tsy hisehatra eo amin’ity fampiroboroboana ny asa fitsaboana nentim-paharazana ity ny tenany saingy kosa tokony hananana fahaleovantena na amin’ny resaka fanafody izany na amin’ny fitaovana hisorohana ny olana tahaka izao. Ho azy ireo kosa dia mitohy hatrany ny asa fitsaboana sy fandraisana an-tanana ireo olona tsy salama tonga manatona ny TASA Madagascar manerana ny Nosy. Anisan’izany ny eny Ivato sy Ampasampito ary 67 ha. Manodidina ny 180 isa isan’andro ireo olona raisiny raha kely, izay samy manana ny olany avokoa saingy tsy nisy tsy sitrana na dia iray aza.
MIANTSO NY OLONA MBA HANDINIKA
Eo am-piandrasana ny fitsarana momba io raharaha io dia mitodika amin’ireo marary manana olana nametraka fitokisana hatramin’izay tamin’ny TASA ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre fa misy olona milaza mantsy hoy izy fa iray ihany ny TASA Madagascar izay tantanany sy ny Santymad. Tsipahiny marindrano ny filazana izany. Tsy misy idirako mihitsy ny Santymad hoy izy fa ny TASA no ahy sy eo ambany fitantanako. Maro mantsy ny fitarainana voaray hoy hatrany ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre avy amin’ireo olona nitsabo tena tao amin’ny Santymad noho ny tsy fanajana ny fenitry ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny fomba fitehirizana ny fanafody avy amin’ny zava-maniry ka mety hiteraka aretina hafa indray ho an’ireo olona sasantsasany manaraka fitsaboana ao an-toerana. Tsy manoso-bohon-tanana ireo marary mila fanampiana aminy anefa ity mpitsabo nentim-paharazana ity raha ny filazany saingy manentana ireo izay voafitaka mba handinika tsara fa saro-pady ny fitsaboana tahaka ireny fa tsy hataotao foana.
Aline R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap