airtel

Actualités

08-mars-2021

Actualités

Teknolojia vaovaon’ny Ericsson Tambajotra “5G” eny amin’ny seranan-tsambo

Sample post image

Manokatra làlana hatrany amin’ny famokarana haitao ara-teknolojia mifandraika amin’ny tambajotra 5G ny Ericsson,

08-mars-2021

 ka fametrahana tambajotra eny amin’ny seranan-tsambo “Conneted ports” na “Ports connectés” no iantsoana azy. Natao hanamorana ny fomba fiasa, hampihenana ny sarany, hampiakarana ny fandriampahalemana ho an’ny mpiasa sy ny faharetana amin’ny fampiasana teknolojia ao anatin’ny faritry ny seranana io. Afaka mifandrindra asa tsara ny fitaterana an-dranomasina sy ny seranan-tsambo amin’io. Araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena, ny varotra dia manome 60% amin’ny harin-karena faobe na PIM maneran-tany, ka isan’ny niteraka ny finiavana avy amin’ny Ericsson. Ny antontam-baovaon’ny “Chambre Intenationale de la Marine Marchande” mikirakira ny resaka entam-barotra amin’ny sambo, dia maneho fa mitana anjara toerana lehibe, manamora ny 90% amin’ny varotra maneran-tany io. Manamora ny fifakalozana ara-barotra ny seranan-tsambo. Araka ny tatitra feno ny “Connected Ports” dia isan’ny manafaingana ny asa, manome antoka amin’ny fandriampahaleman’ny mpiasa, manatsara ny fitantanana eo amin’ny famenoana sy fanalana entana. Ampahany amin’ny teknolojia ampiasaina ny « drones » izay mitatitra ny antontan-kevitra sy vaovao avy amin’ny sambo makeny an-tanety, izay mampihena ny sarany sy ny fiantraika ara-tontolo iainana, izay ahafahana miantoka ny fanaraha-maso ny filaminana amin’ny seranan-tsambo. Eo ihany koa ny fampiasana ny VGA (Véhicules Guidés Automatisés) izay isan’ny mampihena ny fandaniana angovo sy ny risika amin’ny loza,…. Isan’ny mampiasa io teknolojia io amin’izao fotoana izao ny seranantsambon’i Livourne any Italie, ka isan’ny manamora ny fifanakalozana ao anatin’ny fotoana rehetra ny fampiasana ny 5G. Mampihena hatrany amin’ny 8,2% ny famokarana entona maloto CO2 ny fampiasana azy io.

 

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap