airtel

Actualités

08-sept-2022

Actualités

Tena mila fandinihana sy fanadiovana Sesilany ny herisetran’ireo manam-basy

Sample post image

Tsy finiavana hitsikera, fa ilàna fiheverana ihany ny herisetra sesilany ataon’ny manam-basy. Misy ny azo iadian-kevitra araka ny lalàna,

08-sept-2022

fa ao ny tena endrika herisetra sy fandatsahana ain’olona ankitsirano. Maro ireo tranga hafahafa nisesy, toy ilay tamin’ny 31 mey 2019, nahitana ireo faty nifatotra tongotra aman-tànana hita nariana tao amin’ny reniranon’I Onive, tany Antanifotsy. Olona izay avy any amin’ny distrikan’Ambohimahasoa voarohirohy ho nanafina basy sy olon-dratsy. Nentin’ireo miaramila mpampandry tany, nakarina tamin’ny kamio, ka novonoina ary nariana ny fatiny. Ny 4 tamin’ireo miaramila 24 voarohirohy no naiditry ny fitsarana am-ponja vonjimaika tany Tsiafahy tamin’izany, taorian’ny fivoahan’ny “ordre de poursuite” avy amin’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena. Ny 07 novambra 2019, mpianatra ho mpanamory fiaramanidina ihany koa no maty tamin’ny fomba hafahafa tao amin’ny ACMIL ao Antsirabe, saingy toa tsy nisy tohiny firy ny raharaha fa vitavita ho azy. Tetsy amin’ny BANI Ivato ny 6 jona 2021, nisy ilay raharaha Nasandratra Valimbavaka izay voalaza fa maty noho ny herisetra nataon’ny miaramila. Henjana ny fifampiarovana, ary efa taty amin’ny oktobra na novambra 2021 vao nisy ny “ordre de porsuite” nahafahana nanenjika ireo miaramila noahiana ho tompon’antoka, ka 13 no voarohirohy tamin’izany. Ny 20 aogositra 2022 teo, zandary iray maty notsindronin’ny miaramila antsy tao anaty lanonam-pamadihana. Vao afak’omaly, mpahandro sakafo maty tamin’ny fomba hafahafa tao amin’ny ACMIL Antsirabe, izay ahiana ho noho ny herisetra. Tamin’ny 3ora maraina no nalaina tany an-tranony ilay lehilahy, ary nisaoty tamboho mihitsy ireo nisambotra azy. Raha ny ambangovangon’ny lalàna, aorian’ny amin’ny 5 ora maraina no tokony ho nakana azy tao an-trano, ary misy taratasy mazava avy amin’ny fitsarana,… Ny teo anivon’ny zandarimaria, isan’ny nisongadina ilay raharaha fahafatesana lehilahy iray tao Imeritsiatosika nahiana ho noho ny herisetran’ny zandary ka nahatonga ny vahoaka nanafika ny toby. Trangam-piarahamonina isan’ny nampalahelo ilay teny Ivato nisiana zandary iray nitifitra ny vady aman-janany avy eo namono ten any jolay teo. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha Ikongo, nisy ny fitifirana variraraka tany Ikongo, izay voafaritry ny lalàna, saingy miharihary ihany ny resaka fifampiarovana ao anatiny. Ny ary an-daniny lasibatra maneho fa tsy nisy fampitandremana, basy indray mandeha nipoaka tonga raikitra ny tifitra variraraka. Ny solombavambahoaka avy any an-toerana izay manamboninahitra avy amin’ny Polisim-pirenena nilaza fa tsy mifandanja ny hery, ary tsy fiarovan-tena no nisy fa vonomoka. Ny andaniny avy aty amin’ny zandary nilaza tamin’ny alalan’ny kaomandy amboniny fa voahaja ny fepetra rehetra, nisy fanapariahana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso,… Ny avy amin’ny fitsarana nanala tena fa tsy misy hidiran’ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana satria mbola tsy tonga teny am-pelantanan’izy ireo rahateo ny dosie. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka, ary henjana ilay fifampiarovana na “corporatisme” . Vao tsy ela fa ny 31 aogositra ihany koa, manamboninahitra kolonely avy amin’ny zandarimaria no tonga nilanja basy tany amin’ny Kaomisaria, namoaka ny mpamiliny nosamborin’ny polisy noho ny tsy fanarahan-dalàna. Ny eo anivon’ny polisim-pirenena ihany koa, maro ireo tranga manaratsy endrika. Mety ho ampahany amin’ny tranga hafahafa ihany ireny, tsy misy resaka fankahalana na tsy fitiavana ny mpitandro ny filaminana, ary isaorana aza izy ireo amin’ny fikelezana aina manoloana ny adidiny amin’ny fiarahamonina sy ny tanindrazana, saingy ilaina ny fanadiovana satria tena misy ireo manondrana, fandoto iray tandroka, hany ka ny rehetra no miara-maloto, lasa tsy tandroka aron’ny vozona sy ho an’ny tanindrazana, fa mivadika zavatra hafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap