airtel

Actualités

27-juil-2022

Actualités

Tetikasa Atrika Hamafisina ny fiarovana amin’ny loza sy ny tandindon-doza

Sample post image

Hamafisina indray ireo hetsika mikasika ny fiarovana amin’ny loza sy ny tandindon-doza tanterahin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary amin’ny alalan’ilay tetikasa Atrika.

27-juil-2022

Notontosaina omaly Talata 26 Jolay tao Antaninarenina ny fanokafana izany tamim-pomba ofisialy. Tetikasa iarahan’ny “Humanité et Inclusion” miasa akaiky amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Loza sy ny Tandindondoza (BNGRC) izy io raha tsiahivina.Isan-taona, dia tsy afa-bela amin’ ireo loza sy tandindon-doza samihafa i Madagasikara, izay azo lazaina fa mahery vaika mihitsy. Ao ny rivodoza sy ny tondra-drano izay mahatonga ny mponina, indrindra fa ireo marefo misedra fahasahiranana mafy na dia maro aza ireo hetsika ho an’ny maha-olona efa natao.Tanjon’ny tetikasa noho izany ny fanamafisana ireo hetsika mialoha ahhafahan'ireo mpisehatra amin'ny fitantanana sy ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza manatsara ny fiarovana ireo olona marefo indrindra, hamonjy aina bebe kokoa, hanatsara ny loharanon-karena ary hiaro ny tombontsoa azo amin'ny fampandrosoana. Mifototra amin’ ireo hetsika na fandraisana andraikitra mialoha ny tetikasa. Hanampy amin'ny fahaiza-miatrika sy fahafaha-miatriky ny vahoaka marefo indrindra ireo mety hiharan'ny loza ny hetsika.Vatsian'ny Birao Federaly misahana ny Raharaham-bahiny Alemana (GFFO) ny Tetikasa atrika haharitra mandritra ny telo taona.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo mpizaika tetsy Antaninarenina omaly
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap